Mitobaka eran’ny tsena amin’izao fotoana ny karazana «pâte» na vokatry ny orinasa Malagasy izany na ny avy any ivelany. Mora karakaraina izy ireny satria minitra vitsy monja dia vonona no sady efa misy ireo saosy isankarazany koa ao anatin’ny fonosana.
Raha ho an’ny Indomie manokana dia efa roa taona izao no nahatongavany teto amintsika ary tsy mitsaha-mitombo ny tinady voarain’ny SORAJ, orinasa mpanafatra sy mpivarotra azy amin’ny ambongadiny. «Raha Indomie telo kaontenera, izany hoe 10.000 baoritra isaky ny telo volana no nohafarana tamin’ny fiandohan’ny taona 2010 dia ao anatin’ny roa volana izay dia tapitra amin’izao. Ny hanitra «poulet» sisa no ananana tahiry ao amin’ny magazay ankehitriny», hoy Rakotoasimbola Nirina, tomponandraikitra misahana ny varotra ao amin’ny SORAJ. Aminy dia tsy mahagaga raha mora lany ny entana satria ny Indomie izay «nouille» vita indoneziana no tsara indrindra erantany izay mitana ny 70%-n’ny tsena. Voarakitra ao amin’ny boky “Guinness record” mihitsy moa izany zava-bitany izany.
Na eo aza anefa izay toerany izay dia tsy manao ambanin-javatra ny mpifaninana ny SORAJ ka miezaka hatrany manakaiky ny mpanjifa. Izay indrindra no antony andraisany anjara amin’ny Foara Vidy Varotra andiany faha-10 ny 01 ka hatramin’ny 03 okotobra izao, eo koa ny fifaninanana mahandro mandeha amin’ny fahitalavitra. Maro dia maro ireo karazana Indomie saingy 5 ihany ireo hanitra mbola misy eto amintsika dia ny mie goreng izay fampiasa amin’ny misao, ny vegetable, ny chicken flavour, ny crevette ary ny barbecue. Azo atao misao na lasopy kosa ireto farany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.