Afa-po tamin’ny hetsika nataony nitaky ny fampiharana ny lalàna velona momba ny tombontsoany, ireo mpitsara maherin’ny 100 eo anivon’ny fitantanan’ny fitsarana ambony ao Toamasina.
Sambany tao anatin’izay hetsika nataon’ny SMM izay no nanaraka tsy nisy nanao sakana ny mpitsara rehetra. “Tsy misy idiran’ny politika ny hetsika, izay mety mbola hitohy raha tsy mivaly ny fangatahana sy ny fitakiana fampiharana lalàna”, araka ny nambaran’ny delegen’ny SMM ao Toamasina, izay nanamafy fa “tsotra ny fangatahana, efa lany ny lalàna dia avohay ny didy fampiharana momba izany. Raha mivoaka izay dia mitsahatra avy hatrany koa ny fitokonana izay ataon’ny mpitsara rehetra”. Fantatra anefa izao, fa mihitsoka tanteraka ny raharaha, samy miziriziry amin’ny heviny ny SMM sy ny fanjakana FAT, ny fihaonana saika natao aza nihemotra sy nofoanana avokoa. Nanamafy anefa ny SMM tahaka ny ao Toamasina fa hitohy hatramin’ny zoma izao ny fitokonana tokony ho nifarana ny alarobia izao noho ny fanaovana tsinontsinona ny fangatahan’izy ireo, ary hohamafisina kosa ny herinandro ho avy io, mba hahatsapan’ny FAT fa sendika matanjaka ary tsy mikoso-maso amin’ny fandrahonana sy ramatahora ny sendikan’ny mpitsara Malagasy. Ho hita eo moa ny tohin’izany, fa raha ny zava-misy aloha hatreto dia mihitsoka ny raharaha eo anivon’ny fitsarana, tsy mandeha ny fitsarana, ny fandraisana voarohirohy samy hafa, ny fanaovana fanadihadiana isan-karazany ary ny asam-pitsarana amin’ny ankapobeny afa tsy ny asan’ireo mpitantsoratra izay mazàna koa mifarana aloha noho ny tsy fisian’ny mpitsara manao sonia ny taratasy miaraka amin’izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.