Fiarakodia : Miverina tsimoramora ny famokarana fiarakodia Karenjy. Efa misy ny vita amin’izao fotoana izao. Enina no efa mifamoivoy any. 12 tapitrisa ariary no vidin’ny vaovao amin’izany. Any Fianarantsoa no misy ny fanamboarana ity karazana fiara Malagasy ity.
Fizahantany : Nivory tao Sainte Marie omaly ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fizahantany ao amin’ny Faritra Analanjirofo. Fanomanana ny fampirantiana hatao any Pretoria amin’ny volana oktobra ho avy io, izay handraisan’ny Faritra Analanjirofo anjara no nanaovana ity fihaonana ity.
Rano fisotro : Misy atrikasa manodidina ny rano fisotro madio ny mponina tanterahina eny Andrainarivo. Haharitra telo andro izy ity, mandray anjara amin’izany ireo mpisehatra eo amin’io lafiny famatsiana rano fisotro madio io, toy ny Water Aid, ny OMS, ny Foibe taontsaritany …
Sakaraha : Tsy tanteraka ny famindram-pahefana teo amin’ny kaomisera teo aloha sy ny vaovao ao Sakaraha raha tokony ho natao ny alatsinainy teo. Araka ny fantatra dia nanda ny hanao izany ny teo aloha izay voatendry hifindra ao Ambohimahasoa. Resaka taratasy fanendrena ara-dalàna sy tsy ara-dalàna no tsy mampitovy hevitra.
May Ambondrona : Nihaona maika ny ministry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Tongavelo Athanase sy ny ministry ny fitantanam-bola, Rajaonarimampianina Hery, amin’ny hamana ny olana eny Ankatso sao mitatra. Araka ny tatitra nataon-dRazafinjato Jean Fidèle, Talen’ny kabinetran’ny ministeran’ny fampianarana ambony dia omaly ihany dia efa tonga any amin’ny oniversite ny volan’ny mpandraharaha, izay nampitokona azy ireo. Vokatr’izany dia tsy tokony ho olana koa ny fandoavana ny vatsimpianaran’ny mpianatra.
Vonona : Tsy tokony hiverin-dalana ny fitondrana tetezamita fa hanatanteraka izay sori-dalana efa nofaritana sy ny fifidianana nambara fa hatao, hoy Roland Ratsiraka nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny antokony, MTS, omaly. Nambarany fa tsy olana ho azy ireo ny hahatongavan’ny SADC eto, saingy lavin’izy ireo kosa ny fiheverana hanao fihaonambem-pirenena indray.
Zafilahy : Lainga marivo tototra avokoa ny resaka teny amin’ny13 mey fa mipoitra tsikelikely avokoa ankehitriny ny tarigetra tiana hapetraka. Efa te hilatsaka hofidiana mafy i Andry Rajoelina ka miandry vava latsaka amin’ny vahoaka any am-pitetezam-paritra any. Ny mahagaga, hoy izy dia maka tahaka izay nataon’ny filoha Ravalomanana ny filohan’ny FAT manao “voyage organisé” miaraka amin’ny teny faneva hoe : «Manana finoana !», izay mitovitovy amin’ny «Aza matahotra, minoa fotsiny ihany».
Lalàmpanorenana : Nodinihina teo anivon’ny filankevitry ny governemanta omaly ary hodinihina eo amin’ny filankevitry ny ministra ny volavolan-dalàmpanorenana natolotry ny Komity fakan-kevitra momba ny lalàmpanorenana na ny CCC. Tsy ny foto-kevidehibe no ahitsy fa ny fomba fanoratana fotsiny ihany, raha misy zavatra kitihina ao anatin’io, hoy Rakotomanana Honoré, mpahay lalàna.
Mpisolovava : Raha tsy misy ny fiovana dia amin’ny faha-18 oktobra no hatao ny fanadihadiana lalina ny Me Rabemananjara Noro, mpisolovavan’i Manandafy Rakotonirina. Voarohirohy amin’ny resaka baomba natao tanana izy, ary voatana am-ponja ao Antanimora nanomboka ny 08 aogositra 2009.
Gadra politika : Nosamborina teo amin’ny Carlton ary notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora hatramin’ny 16 desambra 2009 Randrianatoandro Giles, iray amin’ireo nisahana ny fiarovana ireo mpitari-tolona teo amin’ny Magro. Voasokajy ho isan’ny gadra politika izy. Araka ny fantatra dia marary mafy any am-ponja izy amin’izao fotoana izao.
Belo Tsiribihina : Maniry ireo mpiasam-panjakana any Belo mba hanokafana banky ao an-drenivohitr’ity distrika ity, mba hanalana fahasahiranana azy ireo rehefa fotoana fandraisam-bola. “Virement” any amin’ny banky no ahatongavan’ny karaman’izy ireo ka sady lany fotoana no lany vola amin’ny sakafo, sarandalana ary saram-piantranoana izy ireo mankany Morondava satria any no misy banky handraisam-bola.
Seho : Hiray sehatra ao amin’ny Carlton anio alina i Lalao Rabeson sy Fanja Andriamanantena. Raha fahombiazana tanteraka ny fampisehoana natolotr’i Lalao Rabeson tao amin’ny CCESCA Antanimena herinandro lasa izay dia heverina fa hitombo avo roa heny izany amin’izao fiarahany amin’i Fanja Andriamanantena anio alina izao.
Tsy manavaka : Ho an’ny Pasitera Andriamanjato Richard dia iny fihaonambem-pirenena teny Ivato farany teo iny no taratry ny tenierana sy tsy manavaka. Koa raha misy ny vola holanian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena heverina fa hanomanana fivoriambe hafa indray, tsy aleo hanarenana ny toekarena potiky ny krizy, hoy izy.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.