• Alakamisy 15 Jolay 2010
Actualités.Fetim-pirenena Frantsay teny Ivandry Nokianin’i Châtaigner manokana ny FIS

Ela ny ela ka vaky vava ny Frantsay ny amin’ny fomba fitantanana ataon’ny FAT. Nanakiana mafy mivantana ny fisian’ny FIS mantsy i Jean-Marc Châtaigner, omaly, teny Ivandry.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 15 Jolay 2010
Actualités.Grevin’ny Polytech Nanao rodobe teny Ankatso ny mpianatr’i Vontovorona

Nafampana indray teny Ankatso omaly maraina. Niakatra teny an-toerana ka nanidy ny vavahady lehibe fidirana ao amin’ny faritry ny oniversite mantsy ireo mpianatra avy eny Vontovorona.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 15 Jolay 2010
Actualités.Tranon’ny Ministeran’ny Fifandraisana Hofan-trano 800 tapitrisa Ariary tsy voaloa ?

Vola mitentina 4 miliara iraimbilanja, valonjato tapitrisa ariary, no tokony haloa amin’ny hofan-trano amin’ilay trano misy ny ministeran’ny Fifandraisana etsy Ampefiloha. Olana teo amin’ny orinasa rosianina nanao ny fifanarahana tamin’ny orinasa Manda no nahatonga ny olana.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 15 Jolay 2010
Actualités.Mitohy ny trafika “Bois de rose” telo kamio indray no tratra omaly

Betsaka ny laza masaka amin’ny fandraisana andraikitra eto amin’ny firenena mikasika ity resaka andramena na bolabola na “bois de rose” ity. Ny fanaratsiana izay tsy tiana sy tiana hosoketaina ihany no mandeha, fa ireo manampahefana, indrindra ny faritra tena fivoahany, tsy asian-teny akory na iniana ampanginina mihitsy ny raharaha.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 15 Jolay 2010
Actualités.Fanenan-tsazin’ireo voafonja ny 26 jona Mody fanina ny ministeran’ny fitsarana ?

Efa ho 18 andro aty aorian’ny fanambarana nataon’ny filohan’ny FAT ny 26 jona teo tao amin’ny lapan’Iavoloha ny fanomezana fanenan-tsazy ireo voafonja noho ny heloka tsotra, dia mbola re be tsy re kely ny amin’ilay didim-pitondrana mifanaraka amin’izany tokony havoakan’ny ministeran’ny Fitsarana.

Hamaky ny tohiny
FTT