Fitsapan-kevi-bahoaka : Manao ranolava ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena sy ny fikambanana samihafa manodidina ny fitsapan-kevi-bahoaka. Araka ny fantatra, dia Arsidiosezy katolika 4 amin’ny 5 misy eto Madagasikara no manda ny hanatanterahana io fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 17 novambra 2010 io.
Maloto sady maizina : Velon-taraina noho ny zava-misy iainany ireo mponina ao amin’ny fokontany Ambalavao Isotry. Noho ny loto mivangongo ao an-tanàna sy noho ny tsy fisian’ny herinaratra manazava ny tanàna no mahatonga izany, araka ny vaovao voaray. Eo an-daniny anefa dia nofoanan’ny Sefo fokontany eny an-toerana ny andrimasom-pokonolona izay hany hery iray nandrandrain’ny vahoaka hiaro azy amin’ny asan-jiolahy. Hetahetan’izy ireo noho izany ny tokony hijeren’ny tomponandraikitra akaiky ny zava-misy.
Vitsy : Vitsy ireo fiara fitateram-bahoaka teto an-drenivohitra no niasa omaly alatsinainy fiandohan’ny volana novambra, indrindra ny hariva. Teo an-daniny anefa maromaro ihany ireo fianakaviana niala tao an-tokantrano namonjy ny toeram-pitsangantsanganana toy ny teny Ambohijatovo. Tsy vitsy ireo voatery nandeha dia an-tongotra vokatr’izany.
Nanadio sy nanamboatra : Niavaka ho an’ny Fokontany Ambohipanja, kaominina Ankadikely Ilafy ny nanamarihany ny fetin’ny maty omaly alatsinainy. Nantsoina nanamboatra sy nanadio ireo fasana miorina ao amin’ity Fokontany ity avokoa mantsy ireo tompom-pasana voakasika, indrindra ireo manana fasana misy simba sy mila fandokoana. Tsy vitsy ireo nanararaotra nitsangantsangana kely noho izany ka sady afa-boly no nahavita adidy.
Nanararaotra : Nanararaotra ny andron’ny 01 novambra, ihany koa ny AV7, fikambanan’ireo niharam-boina tamin’ny 7 febroary 2009, nanaterana voninkazo teo amin’ny tsangambato natokana ho azy ireo eo Ambohitsorohitra.
Niravona : Niravona ny disadisa tao Tolagnaro. Nesorin’ireo tanora avy amin’ny Hesika Fangomba ny marainan’ny sabotsy sakana tao Mandena, hiazo ny QMM, taorian’ny fifanarahan’ny andaniny sy ny ankilany. Fantatra fa hisy tanora 100 avy ao Tolagnaro horaisin’ny QMM, nesorina ny talen’ny mpiasa. Nisy famonoana omby roa nanamarihana izany.
Mitohy : Mitohy ny fanadihadiana mikasika ireo takaitra navelan’ilay tondra-drano niseho tany Indonezia ny herinandro lasa teo. Olona an’anarivony raha tsiahivina no tsy manan-kialofana raha an-jatony ihany koa ireo tsy mbola hita popoka.
Feno olona : Feno olona nitsangantsangana ny tao Ramena, Antsiranana II omaly alatsinainy, toeram-pitsangatsanganana anisan’ny malaza indrindra any amin’ny distrikan’Antsiranana II. Nanomboka tamin’ny 2 ora folakandro no tena nahamaro an’isa azy ireo raha efa tsy vitsy koa ireo tonga maraina. Tsiahivina fa mbola maro ihany koa ireo olona mitana ny fomba fanateram-boninkazo any amin’ity distrika ity.
Fahombiazana : Fahombiazana no azo tamin’ilay hetsika herinandro ho an’ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza tany amin’ny distrikan’i Fenoarivobe. Tratra ny tanjona na dia teo aza ireo sakana nateraky ny haratsian-dalana sy ny dokotera tenany nahazatra ny mponina hatramin’izay.
Maloto : Ahiana mafy ny mety hisian’ny valan’aretina eny amin’iny faritra Anosibe hihazo an’Anosizato iny mandritra ny fotoam-pahavaratra. Ankoatra ireo karazana loto mivangongo etsy sy eroa mantsy dia miparitaka eny amin’ireo karazana zaridaina sy lalana fampiasan’ny mpandeha an-tongotra ihany koa ny diky.
Ivato : Hanomboka anio eny amin’ny Trano fandraisana fivoriana iraisam-pirenena eny Ivato ny fihaonana an-tampony na kaonferansa maharitra andiany faha-36 an’ny Antenimieran’ny Varotra aty Afrika sy amin’ny tany mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny Frantsay.
Nahavory : Nahavory mpitsangantsangana marobe ny teny amin’ny «bord» ao an-drenivohitr’i Boeny omaly alatsinainy folakandro. Ankizy sy tanora ny ankamaroan’izy ireo izay samy niezaka ny nanararaotra ny niala voly kely avokoa.
Tondraka : Tondraka sahady ny rano amin’iny lalana avy eo Anosibe ho any Anosipatrana mankany amin’ny Masera iny. Tsy misy handehanany intsony mantsy ny rano satria dia efa lasa trano daholo ireo tanimbary nanamorona ny arabe izay natao ivoahan’ny rano teo aloha. Tsy afa-drano intsony iny lalana iny, ny fiara mijanona amoron-dalana mihamaro. Raha mitohy izao dia ho tapaka tsy ho ela ny lalana
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.