Actualités

Volan’ny ladoany nisy nanafika MD ao Ambalatavoahangy ilay mpiasa nitondra azy


  • Talata 02 Novambra 2010

Ny alatsinainy 25 oktobra teo no niakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana ilay raharaha fanafihana nataona jiolahy, ny volaben’ny ladoany mitentina 60 tapitrisa ariary izay saika nandoavana ny tambin-karaman’ny mpiasa.

Araka ny fehin-tenin’ny fampanoavana taorian’ny famerenana ny tranga nisy marina nandritra ny fanafihana ny volan’ny ladoany teo akaikin’ny fiangonana St Joseph Ampasimazava, dia tafiditra ho mpiray tsikombakomba ity mpiasan’ny ladoany ity noho ny fiheveran’ny mpitandro ny filaminana nanao ny fanadihadiana, fa misy sinema natao tao nahavery ity volaben’ny ladoany ity. Teo koa ny tsy fanarahana ny fitsipika sy didy navoakan’ny fanjakana mikasika ny fakana volam-panjakana, izay tsy maintsy arahina mpitandro ny filaminana mitam-basy hatrany. Nanaraka izay koa ny mpitsara mpanao famotorana, ka raha nivoaka ny didy voalohany ny talata 26 oktobra teo, dia nampidirina am-ponja vonjimaika ity mpiasan’ny ladoany ity, nahazo fahafahana vonjy maika kosa ny “receveur” mpisolo toerana na izy mirahalahy aza no niara-naka ny vola teny amin’ny banky foibe tao Toamasina tamin’io tolakandron’ny alarobia 20 oktobra nitrangan’ny fanafihana io.

Vola saika hanomezana ny tabin-karama efa fanome ny mpiasan’ny ladoany aorian’ny fanadihadiana ny ezaka arak’asa ataon’ny mpiasa ireo vola ireo, ka tafiditra ao avokoa ny mpiasan’ny ladoany eo anivon’ny Galana, ny eny anivon’ny Tetikasa Ambatovy ary ny miasa eo anivon’ny seranan-tsambo sy ny fanangonan-ketra ao Ampasimazava. Araka ny vaovao farany, mba tsy hisian’ny fitokonana sy korontana indray eo anivon’ny mpiasan’ny ladoany tokony hahazo ity vola tambin-karamany ity, dia efa nahita hevitra ny hanoloana azy io ny tomponandraikitra izao, ka ho azo tsy ho ela izany. 

Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT