Raharaha anisan’ny tena narahan’ny maro akaiky ity andramena efatra kaontenera tratra ny volana septambra teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina ity, saika haondrana an-tsokosoko tany Malezia.
Nanofana fiaramanidina manokana mihitsy tamin’izay nisidinan’ny praiministra FAT, Camille Vital sy ny ministry vola sy ny tetibola, Rajaonarimampianina Hery. Hentitra ny tenin’ny praiministra nandritra izany : «Tsy maintsy miandry fitsarana any am-ponja ireo voarohirohy sy mifaningotra tamin’ity raharaha andramena ity”. Ny zandary no misahana ny fanadihadiana. Niaraha-nahalala ny tohin’ny tantara, fa nahatonga fitrangan-javatra maro teo anivon’ny seranan-tsambo. Nandeha ny resaka nandritra ny famindram-pahefana ara-miaramila narahin’ny fitokanana ny biraon’ny vondron-tobin-tafika ho an’ny faritanin’i Toamasina ny sabotsy 16 oktobra fa «tsy mahazo fahafahana vonjimaika izany iny Sinoa lahy iny. Izy no atidohan’ny fanondranana andramena, ary miseho manam-bola ka lazainy fa voavidiny aby ny fanjakana malagasy». Ny nahagaga anefa, iza no tsy nitazona ny teniny, sa nisy zavatra ambadika tao ? Ny mpitsara ve no nandray ny andraikiny amin’ny asan’ny mpamoaka didy ? Fa raha ny alarobia 06 oktobra no nivoaka ny didy nahazoana ny LP ho azy 13 mianadahy voalohany, dia herinandro taorian’izay ny alarobia 13 oktobra koa no nivoaka indray ny fahafahana vonjimaika azon’i Ping, ilay Sinoa notondroina fa rain-dahiny amin’ny fanondranana “bois de rose”.
Taorian’ny fahazoan’ity Sinoa ity LP dia tsy fantatra na mbola eto Madagasikara ny tenany na efa niverina nankany Chine fiaviany. Fandraharahana mantsy no nahatongavany teto, ary saika izy avokoa no mpamongady ireo entana sinoa amidin’ny ankamaroan’ny mpivarotra Sinoa eo Madagasikara ireo sy ireo tranombarotra malagasy miara-miasa aminy. Ankoatra izay, dia fantatra koa fa ny herinandro lasa iny dia nisy olona dimy hafa nanaovana fanadihadiana mikasika ity raharahana andramena efatra kaontenera ity, anisan’izany ny Tale jeneralin’ny MICTSL, ny “receveur”-n’ny ladoany teo aloha, mpiasan’ny ladoany iray ary tafiditra koa ilay mpanao ny faktiora teo anivon’ny MICTSL. Ireo “Transit” miisa dimy nambaran’ny praministra fa miato amin’ny asany koa, dia ny telo ihany no voakasika, fa ny roa ambiny dia efa afaka manao ny asany ara-dalàna ankehitriny. Tsy fantatra ny tohin’ny raharaha hatreto, satria na ny fitsarana aza fanina noho ireo baiko midina tsy misy fiafarany tonga eny aminy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.