Actualités

Ecole Privée Intelligentsia Nakaton’ny Polisy omaly


  • Zoma 29 Oktobra 2010

Polisy valolahy niaraka tamina vaditany no tonga nampihatra didy omaly. Sekoly tsy miankina no niharan’ny fandroahana tamin’ny trano.

Tsy nisy alaharo fa dia navoakan’izy ireo teny ivelan’ny trano avokoa rehefa mety ho fananan’ny sekoly, toy ny dabilio, solaitrabe, latabatra, seza … Vita izay dia nofantsihan’izy ireo tanteraka ny trano tsy ho azo hidirana intsony. Vokany, mpianatra miisa 200, amin’ny taona faha-10 ka hatramin’ny taona famaranana, no niahaka teny amoron’arabe, tsy nisy hianarana. Ny mpampianatra voatery niala, matahotra fisamborana. Naneho ny hatezerany ny mpianatra nanoloana izany. Nobatain’izy ireo ny latabatra sy ny dabilio rehetra ary nanaovan’izy ireo barazy teo amin’ny arabe, ary niteraka fitohanan’ny fiara. Naharitra ora iray teo izany savorovoro izany. Tsy vitan’izay fa dia nasian’ireto mpianatra ireo soratra mivandravandra koa ny solaitrabe mitaky ny hamerenana ny volan’izy ireo.

Ny marainan’ny zoma 16 oktobra lasa teo no efa nifantsika tsy azo nidirana ny varavaran’ity sekoly ity. Polisy 5 lahy notarihin’ny kaomisera no nanatanteraka ny asa tamin’io fotoana io. Tsy voamarika kosa ny fisiana vaditany. Nanjavozavo be ihany ny vaovao mikasika ity raharaha ity izay marihina fa trano nampiasain’ny “police judiciaire” tao Antsiranana teo aloha izy ity saingy Karana no tompony. Hatao aiza ireto mpianatra ireto ? Tsy mahita aleha mantsy izy ireo amin’izao noho ny fahatapahan’ny fianarana antenantenany.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT