Actualités

Famaranana lisi-pifidianana Nihazakazahana naloa ny volan’ireo mpanao “saisie”


  • Talata 02 Novambra 2010


Anio no famaranana tanteraka ny lisi-pifidianana. Izay voasoratra dia voasoratra. Niankina tamin-javatra maro ny famitana azy io. Teo ny teny anivon’ny Fokontany. Nanahy ny FAT sao ho sakana tamin’ny famitana azy ny Sefo Fokontany noho ny tambin-karaman’izy ireo amam-bolana maro tsy voaloa. Nihazakazahana naloa haingana izany. Tetsy ankilany, am-bolana maro koa izay no nitaky ny handoavana ny valin-kasasarany koa ireo tanora aman-jatony isaky ny Faritra, nanao “saisie”, nampiditra ny anaran’ireo tonga taona ka afaka mifidy ao anaty ordinatera. Dia nihazakazahana naloa indray koa izany, raha efa saika namoifo ireo tanora ireo. Nanomboka omaly 01 novambra ny fandoavana ny tambin-karaman’ireo tanora ireo raha ny tao Boeny. Miisa 50 ireto tanora ireo. Ny ampahany voalohany, niasa tamin’ny fanavaozana ny lisi-pifidianana tany amin’ny volana 2010. Ny ampahany faharoa kosa niantoka ny famaranana izany nanomboka ny tapaky ny volana oktobra teo hatramin’ity anio 02 novambra ity. 15 500 000 Ar ny totalin’ny vola naloa amin’izy ireo. Misy mpanao “saisie” iray mahazo 500 000 Ar. Araka ny fanazavan-dRtoa Olga Ramanitrarivo, Tale jeneralin’ny ministeran’ny atitany, izay tonga nanatitra ny vola tany Mahajanga, dia resaka fandaminana ara-panjakana no nahataraiky ny famoahana ny vola.

 Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT