Raha noheverina fa nangina ity andramena na “bois de rose” miondrana an-tsokosoko ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ity, dia tsy izay no zava-misy fa toa misoko mangina toa ron-gisa ny tranga rehetra.
Ankehitriny dia fantatra fa misy kaontenera miisa folo, amin’ireny “20 pieds” ireny, indray sarona ao amin’ny Port Toamasina ao. Voageja eo anivon’ny TAC (Terminal à Container) ireto kaontenera. Misy mpitondra ambony amin’izao fitondrana FAT izao, izay nateti-piavy tao Toamasina tao, voatonontonona ao anatin’izany raha ny resaka mandeha eo anivon’ny ladoany sy ny seranan-tsambo. Ny talata 26 oktobra teo araka ny vaovao nangonina no sarona tao amin’ny Port Toamasina ireto kaontenera folo feno andramena ireto. Ny fitaovana fibatana entana somary sahirana rehefa nibata ilay kaontenera no nahamailo ireo mpiasa. Raha ny voasoratra teo anivon’ny taratasy fanondranana mantsy dia tokony tsy hanana lanja mavesatra be tahaka izany izy ireto. Nisy noho izany ny fanokafana ny kaontenera ka nibaribary teo fa “bois de rose” no tao anatiny. Niditra nandamina sy nampangina ny raharaha tamin’ny alalan’ny antso an-tariby tamin’ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany avy hatrany io tompon’andraikitra ambony amin’izao fitondrana FAT izao io, ka tsy nisy nipika ny resaka momba azy ity, tsy tahaka ireo efatra tratra ny volana aogositra 2010 lasa teo iny.
Mandeha àry ny feo ankehitriny mikasika ity raharaha ity, fa ireo andramena tratra ary nambara fa nogiazana ihany izy ireto no navadika kaontenera hafa dia izao nokasaina haondrana izao. Niarahana nahalala rahateo fa tamin’ireo kaontenera niisa 79 tratra ny taona 2009, dia ny 69 no azo naondrana taorian’ny fifanolanana teo amin’ny fanjakana FAT sy ireo mpandraharaha tompony mikasika ny fandoavam-bola 72 tapitrisa ariary isaky ny kaontenera. Noho izany mbola nisy kaontenera 10, miampy 12 mbola voageja izay an’ingahy Thunam, izay tsy nahazo naondrana mihitsy noho ny disadisa teo aminy sy ny ministeran’ny fitsarana ary ny ministeran’ny vola sy ny tetibola. Mampanahy ny fandehan-draharaha eto fa mety ho ireo hzo sarobidy ireo ihany no mivoaka ankehitriny, satria araka ny fikaroham-baovao dia teo anivon’ny TAC ihany no nanaovana ny famindrana ny entana na “empotage”-n’ireto andramena folo kaontenera tratra ireto.
Volabe tokoa izy ity any Chine any. Ireto tratra ireto dia mbola saika haondrana any amin’io firenena io ihany koa, araka ny loharanom-baovao. Mbola voageja eo anivon’ny Port Toamasina izy ireo, izay tsy fantatra na miandry sambo hafa hitondra azy. Ny vaovao ihany no nahalalana fa ny sambon’ny orinasa “La SEAL” no saika hitondra azy ireto ny talata teo. Ireo andramena efatra kaontenera tratra ny volana aogositra 2010 iny koa dia tsy fanfatra marina ny momba azy ankehitriny na mbola tavela eo anivon’ny TAC na efa tafaporitsaka any Chine koa.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.