• Alarobia 21 Jolay 2010
Actualités.Mahajanga Mamory Ben’ny tanàna ny AGETIPA

Olona miisa 90 eo avy amina kaominina miisa 16 manerana ny Nosy no mandray anjara amin’ny atrikasa momba ny fanolorana tetikasa fanatsarana tsena ao an-drenivohitry ny Faritra Boeny. Telo andro nanomboka ny alatsinainy teo ary hifarana anio alarobia 21 jolay no naharetan’ny atrikasa.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 21 Jolay 2010
Actualités.«Bois de rose» Ireo tsy refesi-mandidin’ny FAT avokoa no voatonona

Efa fantatra ny momba ireo FAT telo izay voasaringotra amin’ny raharaha “bois de rose”. Efa nanome baiko ny ministry ny tontolo iainana ihany koa ny filohan’ny tetezamita ny amin’ny hisamborana avy hatrany ireo tompon’andraikitra amin’ny fanondranana, na iza izy na iza.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 21 Jolay 2010
Actualités.Antsohihy Notafihan’ny olona ny kaomisaria, notetehina ho faty ny gadra tao

Olona 200 isa mahery no indray nanafika ny kaomisarian’ny polisy ao Antsohihy omaly maraina. Olona romotra ary tsy azo natao na inona na inona izy ireo. Niditra an-keriny tao ireo ary namoaka olona iray izay voalaza fa namono ny havany. Dia novonoin’ireto fokonolona marobe tamin’izay fomba nitiavany azy ilay lehilahy.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 21 Jolay 2010
Actualités.Sekoly ISPM Maneho ny voka-pikarohany ny mpianatra

Toy ny isan-taona dia mikarakara «Salon de l’étudiant» ny sekoly ambony ISPM anehoany imasom-bahoaka ireo voka-pikarohan’ny mpianatra nandritra ny taona. Ao amin’ny Carlton no anatontosana ny hetsika mandritra roa andro nanomboka omaly.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 21 Jolay 2010
Actualités.Jean – Ministry ny Atitany Misy ary ampy hiasan’ny CENI ny vola

Tsy tokony hampitaintaina na hampanahy ny tetibola hampiasain’ny vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana na CENI, araka ny nambaran’ny ministry ny atitany, Jean, satria misy sady ampy tsara ny vola eo am-pelatanan’ny fanjakana.

Hamaky ny tohiny
FTT