Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Talata 09 Novambra 2010


Tambin-karama : Nahazo ny tambin-karamany ireo sefo Fokontany rehetra any amin’ny distrikan’i Sakaraha. Ny faran’ny herinandro teo no nahazoan’izy ireo izany, fampanantenana avy amin’ny fitondrana FAT. Hahazo finday enti-tanana ihany koa izy ireo amin’ity herinandro ity ho fanampiana azy ireo amin’ny ady atao amin’ny tsy fandriampahalemana. 

Afa-po : Afa-po ireo mpankafy ny tarika Ny Ainga tao an-drenivohitr’i Toamasina afak’omaly alahady. Feno hipoka ny trano filanonana araka ny vaovao voaray. Tsy latsa-danja tamin’izany ny hafanan’ny ambiansy nandritra ny fampisehoana.
 
Fandresen-dahatra : Mafotaka ny fandresen-dahatra ireo olom-pirenena feno 18 taona mba handray anjara amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka izay hotontosaina ny 17 Novambra ho avy io any amin’ny Faritra Anosy. Ny ministry ny fizahantany no lehiben’ny delegasiona manao ny fanentanana ao anatin’ilay loha-hevitra hoe : “zo sy adidy ny mifidy”.
 
Paikady : Nanaovana paikady manokana mihitsy any amin’ny Faritra atsimo andrefana ny fanentanana ny mponina mba handray anjara amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka. Amin’ny alalan’ny haino aman-jerim-panjakana no hanatontosana izany, tarihin’ny tale jeneraly eo anivon’ny Ministeran’ny fifandraisana.
Pakistan : Olona 50 farafahakeliny no namoy ny ainy raha 80 hafa naratra mafy. Io no vokatry ny fanafihana ilay trano fivavahana silamo iray (mosquée) tao avaratra andrefan’i Pakistan ny faran’ny herinandro.
 
Leo : Zara raha mahavory olona ny mpanolotsain’ny FAT any amin’ny distrikan’i Nosy-Varika ny faran’ny herinandro teo manoloana ny propagandy lavareny tontosain’izy ireo any an-toerana. Averimberin’izy ireo hatrany mantsy fa ity fitsapan-kevi-bahoaka ity no hany vahaolana tokana hivoahana amin’ny krizy raha mifanohitra amin’izay ny tena marina.
 
Faly : Faly amin’ny fihetsiketsehan’ny Ben’ny tanàna Ivato Firaisana sy Ivato Aéroport ny mponina ao anatin’ireto kaominina roa ireto. Mitohy hatrany mantsy ny asa fanamboarana ireo lalan-dratsy eny anivon’ireo fokontany maro isan-tsokajiny izay marihina fa hatao tara mihitsy.
 
Raikitra : Raikitra ny fizarana lay misy ody moka any Soavina Betafo. Nanomboka omaly no nanatontosana izany araka ny vaovao voaray eo ambany fanaraha-mason’ireo komity efa natsangana. Singanina manokana amin’izao fizarana lay izao ireo vehivavy mitondra vohoka sy manan-janaka latsaky ny dimy taona.
 
Mangataka : Mangataka “television communautaire” ny mponina any amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, Faritra Analanjirofo. Tsy mbola mahazo tsara any amin’iny distrika ity mantsy indrindra ny any amin’ireo faritra somary lavidavitra ny televizionam-panjakana TVM. Tsy dia mahara-baovao firy ny mponina vokatr’izany.
 
Finoana : Notokanana ny alahady lasa teo tao Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro ny grand seminaire, foto-drafitrasa natao hanofanana ireo mpino zatovo hiofana ho pretra. Fotoam-pivavahana lehibe nisaorana sy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no nanokafana ny lanonana. Nanampy ara-pitaovana ity grand seminaire ity araka ny angom-baovao azo ireo mpino avy ao amin’ny Arsi-diosezin’i Toamasina.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT