Nandalo tao Toamasina ny alatsinainy teo ireo mpikambana efatra mianadahy avy amin’ny komity fakan-kevitra momba ny lalampanorenana (CCC), izay notarihan’ny Atoa Théogčne Rajaonarivelo.
Taorian’ny fihaonana manokana tamin’ny lehiben’ny faritra atsinanana Alain Mahavimbina, dia nisy ny fihaonana , ny takariva nifanaovan’ny CCC sy ny “cadres” nasaina manokana. Tao amin’ny lapan’ny faritra amin’ny araben’ny fahaleovantena no nanaovana ny fihaonana sy fanazavana nentin’ireto avy amin’ny CCC ireto ny heviny sy ny antony ary ny andinin-dalana ao anatin’ity volavolan-dalampanorenana ity. Naharitra ora maro ny fihaonana sy fanazavana ary famaliana ny fanontaniana samy hafa, teo amin’ireo ekipan’ny CCC sy ny “cadres’ tao Toamasina ireto.
Isan’ny nametrahan’izy ireo fanontaniana ny « ny antony nanalana ilay fifanarahana momba ny zo maha-olona sy ny zon’olombelona nifanaovantsika malagasy sonia teo anivon’ny vondrona afrikanina ; ny resaka fihavanana arangaranga nefa ny famotsoran-keloka nifanarahan’ny mpivory teny Ivato aza tsy sahy raisin’ny filohan’ny FAT akory ; ny resaka fahalalahan’ny mpitsara izay mbola ny filoha sy ny minisitry ny fitsarana no mitarika azy ; ny fandrangarangana ny fampiasana ny foloalindahy sy ny mpitandro ny filaminana ka saronana amin’ny hevitra ambadika ; ny tsy fisian’ny fanapariaham-pahefana mazava sy azo tsapain-tanana; ireo fahefana mivangongo eo an-tanan’ny filohan’ny repoblika hafenina ao anaty fehezan-teny samy hafa… ary ny fanaovana ity lalampanorenana ity ho bemiray sy ‘composé’ fotsiny amin’ireo andinin-dalàna nisy hatramin’izay, fa tsy nodinihina tsara akory ».
Vokany nambaran’ireo “cadres” ao Toamasina ireo fa « ity no lalampanorenana mora ovana indrindra nisy hatramin’izay 50 taona izay, satria tsy voatery hanaraka ny voasoratra ato izay ho filoha eo, fa haka fepetra samy hafa amin’ny alalan’ny didy hitsivolana manokana izay zo omen’ny lalampanorenana azy amin’izay tiany atao » ; « ireo andraikitra samy hafa ifehezana ny andrim-panjakana sy ny adidiny ary ny fepetra mifehy azy ireo, dia ity didy hitsivolana ity avokoa no hamaritra izany ». Raha tsorina izany, dia « tsy naharesy lahatra ireo ‘cadres’ ao Toamasina nihaona taminy ireto ekipan’ny CCC ireto » satria na ny valiteny nataon’izy ireo aza nampihivikivin-doha ny mpiatrika ny ady hevitra. Ny lehiben’ny faritra no nanamaivana ny ahiahy samy hafa ka nilaza fa « tsara ny fisian’ny ady hevitra tahaka izao, mba hisian’ny fifampitam-baovao sy ny traikefa eo amin’ny tsirairay ary ny hai-zatra samy hafa. Samy manana ny safidiny ny olom-pirenena ary samy manana ny heviny ihany koa ». Ankoatra izay, dia ny famporisihana ny rehetra hifidy amin’ny 17 novambra no namaranana ny fihaonana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.