Actualités

Trafikana Bois de Rose Bolabola 52 indray no tratra


  • Talata 09 Novambra 2010

Bolabola avy any Brickaville entina hamidy amin’ireo mpividy azy tao Toamasina, no tratran’ny barazin’ny FIP tao Tanandava ny alatsinainy vao mangiran-dratsy. Hazo bolabola 52 no nentin’ny kamiao laharana 7392 AD, izay avy nalaina tany Anivorano Est fokontany Vohipamelona ny alahady alina teo.

Izany Edouard monina ao Ambohijafy izany no tompon’ity bolabola tratra tamin’ny lalam-pirenena faha-2 ity, ingahy Eugene mipetraka ao Valpinson kosa no tompon’ny fiara nitondrana ny bolabola; ary tratra sy voasambotra niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny mpamily ny fiara Félix, ny iraka manokana Alckaidas, ny mpamily mpanampy Julien ary ireo mpibata ny entana niisa 9 dia Harmel, Nicolas, Lucien, Imbola, Misilahy, Lebona, Géraldo, Emeraldo ary Faniry. « Tsy nahalala na inona na inona izahay, fa karama 20.000 ariary mibata mampiditra anaty kamiao, torak’izany koa ny mampidina azy tonga ao Toamasina, no nataonay 9 mianaka ireto; fa raha izany resaka bois de rose izany, tsy mahalala ny momba izany izahay », izay no nambaran’ireo nokaramaina nibata ny entana sy nentina tao Toamasina ihany koa hamoaka izany tao an-tranon’ingahy Edouard ao Ambohijafy. 57 taona ny zokin’ny indrindra, ary 20 taona kosa ny zandriny. 

Gorobaka ny RN2
Raha niala tany Anivorano Est ny bolabola ity ny alahady alina, dia tsy tratra mihitsy raha tsy tonga teo Tanandava nisy ny FIP misava ireo fiara mandalo. Fantatra anefa fa manana Zandary mpisava sy vondron-toby ny ao Anivorano Est, avy eo Brickaville kosa mandram-pahatonga ao Toamasina dia barazina zandary 2 sy bemoto na zandary 1 no misava ireo fiara indrindra ireo fiara vaventy mpitondra entana ambongadiny. Nanamarika vokatra izany ny teo anivon’ny tontolo iainana sy ny ala fa gorobaka ny fanarahamaso ny  RN2 nahatonga ireto bolabola ireto efa hiditra an’i Toamasina tampon-tanàna vao sarona.
 
Mandà mafy amin’ny maha-bolabola ireto hazo 52 nentiny ireto ingahy Alckaidas, izay misolo vaika ny ankalan’ny tompony ingahy Edouard ; aminy dia izany “Sovindrano” (karazana hazo ala mitovy amin’ny kininina) izany ireto hazo nentiny ireto. Ny eo anivon’ny ala sy ny tontolo iainana Toamasina anefa nanamafy fa tena bolabola ireto, saingy  mbola tsy ao anatin’ny faha-lehibiazany loatra, ka somary madinika sy mbola tsy manome ilay endriny sy lokony fahita an-davanandro. Fantatra koa nandritra ny fanadihadiana natao, fa tsy vao izao no nanao trafikana bolabola ity tompona entana sy tompona kamiao ity, fa efa maro no nahatratrana azy hatramin’izay. An’isan’izany ilay bolabola an-jatony tratra ny volana jolay sy aogositra teny tamin’ny RN5 .
 
Ankoatra izay, araka ny fanazavan’ireo mpamily ny fiara kamiao 7392 AD tratra ity, dia nisy zandary izany niara-dalana tamin’izy ireo niainga avy ao Anivorano Est, izay nanamora ny fivoahan’izy ireo tamin’ireo barazina zandary nisy; ny mahagaga anefa dia tsy hita atao fanadihadiana ity zandary ity. Mbola manaporofo indray ity tranga ity fa mitohy tsy mijanonana ny trafikana bois de rose, ka mitady ny paika rehetra hanondranana izany ireo mpanao azy; ny seranatsambon’i Toamasina moa no tena handefasana ny 90% n’ireo bolabola ary any Azia no mpividy azy.
 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT