Miranty eny Barikadimy misy ny oniversite sy amin’ireo birao samy hafa toy ny eo anivon’ny prezidansan’ny oniversite sy ny “office du bac”, ny sora-baventy milaza ny fitokonana manontolo ataon’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpandraharahan’ny oniversiten’i Toamasina.
« Tsy midika ho tsy firaharahiana ny mpianatra mandranto fahaizana sy fianarana eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina izao fitokonana izao, fa natao hisian’ny fanajana lalàna noraisina sy didy notapahana, izay manome lanja sy hasina ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpandraharahan’ny oniversite », hoy ireo mpampianatra mpikambana eo anivon’ny SECES Toamasina ; namafisin’ireo ihany koa fa « tsy misy fetrany ny fitokonana sy fanakatonana manontolo ny oniversite sy ny sampany, miankina amin’ny famahana ny olana misy no hampijanonana na tsia izany ». Nanomboka omaly izany dia nanambara hentitra ireto mpampianatra mpikaroka ao Toamasina ireto fa « tsy misy manontolo ny fampianarana, miato ny fanadinana voalohany sy ny dingana faharoa, tsy mandray antotan-taratasin’ny mpianatra vao miditra sy ny fifaninana samy hafa ny oniversite». Tsy filam-banona no atao fa « ity zonay ity efa misy sora-bola mazava ao anaty teti-bolam-panjakana, ary efa tafiditra tao anaty taratasy fandraisam-bola ny volana desambra 2009 teo fa nesorina haingana indray noho ny vola andoavana azy tsy tonga teny amin’ny trésor »
Tsy misy vola hiasana intsony
Aotra (zéro) ny vola ampiasain’ny oniversiten’i Toamasina amin’izao fotoana, ny fiaraha-miasa sy fanampiana samy hafa hatreto no ahafahana mandoa ny vatsim-pianaran’ny mpianatra, izay mbola misy roa volana tokony aloha ato ho ato. Efa tapitra tsy nahavita inona ihany koa ny teti-bola 10% n’ny fangatahana nalefan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony. Bokan-trosa ny oniversiten’i Toamasina ary tsy voaloa ny volan’ireo mpamatsy entana azy. Midika izany hoy ny SECES Toamasina fa « mila mandray andraikitra haingana hanarenana ny tontolon’ny oniversite ny mpikaroka sy ny manam-pahaizan’ny oniversite, ny ho avin’ny oniversite no ho simba tanteraka ». Hisy raha teo ny hetsika goavana ho karakaran’ny SECES sy ny mpandraharaha eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina, ny alarobia izao. Mikatona tanteraka izany ny oniversite Toamasina, mihidy rojo vy ny vavahady miditra ary mikatona tanteraka ny birao rehetra.
ENCADRE
Ultimatum
« Manome hatramin’ny faran’ny volana ny fanjakana tetezamita izahay mpianatra mivondrona anaty fikambanana 18 eto barikadimy, fa raha tsy misy ny fepetra ho raisin’izy ireo hamahana ny olana, dia izahay mpianatra indray no hitokona ny volana desambra io, satria ny ho avinay mihitsy no lalaovin’ny fitondrana FAT amin’izao be marenina ataony izao. Milaza mitsitsy ny fanjakana dia atao miafy avokoa ny asa fampiodinana ny oniversite miantoka ny ho avin’ny firenena, nefa iarahana mahita fa be ny vola mifafy sy miodina amin’ireo mpanao politika ; koa raha manana ireny ihany tsy hitanay mpianatra ny tsy handoavana koa ny anjara sy zon’ireo mpampianatra anay hisian’ny fitoniana eo anivon’ny oniversite ».
RTT sy Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.