Actualités

Fanodikodinam-bola teny amin’ny ECCOVA Nivoaka ny zoma lasa teo ny didy farany


  • Talata 09 Novambra 2010

Raha ny volana jolay 2008 no niakatra fampanoavana ilay raharaha mikasika ny fanodikodinam-bola mitentina 26 tapitrisa ariary tao amin’ny Ecole de Coupe et Couture Volana dia nivoaka ny zoma lasa teo ny didy farany raha efa nisy didy roa nivoaka talohan’izay saingy nolavin’ny toriana

Rtoa Volana Razanamanalina, filoha mpanorina ny ECCOVA no nitory raha nahatsikaritra fahabangana vola an-tapitrisany tao amin’ity fampianarana zaitra ity. Atoa Malalanirinasoa Mandimbiraibe kosa no voarohirohy tamin’ity raharaha ity ary niaiky ny lehilahy fa kosa nanondro olona roa hafa niray tsikombakomba taminy. Controleur ary chef personnel ihany koa mantsy ny lehilahy ka manana zo hibaiko ireo mpiasa sy ny sekretera mpikirakira ireo vola miodina ao amin’ny toeram-piasana. Noho ny fitazomana am-ponja vonjimaika azy ireo dia efa nisy nahavita ny sazy izy telo mianadahy izay voaheloka higadra enim-bolana an-trano maizina sazy mihatra. Araka ny didy farany nivoaka mantsy dia voaheloka higadra enim-bolana an-trano maizina izy telo mianadahy ary mandoa onitra mitentina 15 tapitrisa ariary. Nandritra ny roa taona no nanatontosan’ireo voarohirohy izany halatra izany ary fisavana tampoka nataon-dRtoa Volana no nahasaronana ny halatra rehetra. Tsy mikasa ny hanao arakaraka ny vehivavy fa kosa nitaky ny fiverenan’ny vola very izay nitarika faty antoka goavana. Nandritra ireo didy telo nivoaka dia nivoaka mpandresy hatrany ny ECCOVA saingy nanao “appel” sy “opposition” hatrany Atoa Malalanirinasoa kinanjo resy hatrany. Raha tsiahivina dia ny taona 1994 no niorina ny ECCOVA ary manana sekoly fito eto Antananarivo raha misy iray avy kosa any Mahajanga sy Antsirabe. 
     
Luciana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT