Ankolafy telo : Hifamotoana etsy amin’ny kianjan’ny Malacam Antanimena indray anio alarobia 10 Novambra ireo ankolafy telo hivondronan’ireo vahoaka tia tanindrazana mikatsaka vahaolana hanafahana an’i Madagasikara ao anatin’io krizy lali-paka lalovany izao. Hitohy ny sabotsy 12 Novambra ho avy izany hitondrana fanazavana amin’ny vahoaka ny vahaolana mahomby mifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny hivoahana amin’ny krizy.
Analamaitso : tsy afaka mamory vahoaka ao amin’ny kianjan’i Malacam ny sabotsy ho avy izao i Monja Roindefo satria misy lalao baolina lavalava ao, eny amin’ny kianjan’Analamaitso Analamahitsy no alalana nomen’ny tompon’andraikitra azy.
Ankatso : vao maraina dia efa hifamory eny amin’ny departemantany tsirairay avy ieo mpampianatra sy mpianatra mitokona eny amin’ny oniversiten’Antananarivo anio ; ka dia samy hizotra hamoinjy ny Esplanade ao ankatso ihany refaveo .
Tsy raikitra : tsy tanteraka omaly ny fanadinana fifaninana hidirana taona voalohany tao amin’ny fakiolten’ny teny aman-tsoratra, ary tsy tanteraka tahaka izanyihany koa ny tao amin’ny fakiolten’ny siansa teny Ankatso ; ny fitokonanan’ny mpampianatra avy ao amin’y Seces moa no anton’izany.
Foto-drafitrasa : Manao tohy vakana ny fanokanana lalana ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohijanaka, distrikan’Antananarivo atsimondrano tato ho ato. Ny tao Manandona, Fokontanin’i Merimanjaka no nisantarana ny asa fanokanana ny alahady 07 Novambra lasa teo. Mirefy 150 m ny lalana nasiam-panamboarana natao rarivato. Hitohy ny sabotsy sy ny alahady ho avy io ny fanokanana ho an’i Merimanjaka sy Soaranokely mirefy 750 m ny fitambarany. Ny tanjona moa dia ny hanalana fahasahiranana ny mponina indrindra amin’izao ankatoky ny fotoam-pahavaratra izao.
Tranom-bakoka : Nasiam-panarenana nanomboka ny sabotsy 06 Novambra lasa teo ny tranom-bakoka ao an-drenivohitr’i Mananjary. Nifanindran-dalana tamin’ny tsingerin-taona nahatsiarovana ny nahamaizan’ny Rovan’i Manjakamiadana ny nanombohana ny asa.
Fiofanana : Miatrika fiofanana avokoa ireo rantsamangaikan’ny CENI any amin’ny Faritra Amoron’i Mania. Ny kaominina ambanivohitra Fiadanana, distrikan’Ambositra no nisantatra izany omaly talata entina hametrapetrahana sahady ireto paikady hiatrehana ny fitsapan-kevi-bahoaka ho tontosaina ny 17 Novambra ho avy io.
Tsena mora : Ireo tranom-barotra lehibe no tena mahita tombony amin’ity tsena mora haparitaka manerana ny boriboritany enina eto an-drenivohitra ity isaky ny alarobia sy sabotsy. Manakarama olona am-polony izy ireny araka ny fitarainan’ny olona ary hangalany tombony ny entany azony avy eo. Anisan’izany ny fotsim-bary sy ny menaka.
Lay misy ody moka : Nanomboka afaka omaly alatsinainy araka ny vaovao voaray ny fizarana lay misy ody moka tontosaina any amin’ny distrikan’i Fenoarivo atsinanana. Tao amin’ny CSB II ao an-tampon-tanàna no nisantarana izany niarahana tamin’ny PSI.
Niverina nody : Nanao veloma ny lehiben’ny Faritra Analanjirofo tao amin’ny birao fiasany afaka omaly alatsinainy hariva ireo mpianatra 18 mianadahy miaraka amin’ny mpampianatra roa avy any amin’ny Lycée Lomme any La Frantsa rehefa nivahiny tao Fenoarivo Atsinanana nandritra ny folo andro. Fampanantenana nataon’izy ireo ny hanolorany fanampiana hahafaha-manorina lycée iray vaovao ao amin’ity distrika ity, tafiditra ao anatin’ilay Sonia fifanekem-piaraha-miasa nampirahavaviana ny lycée roa tonta.
Bloc opératoire : Hahazo bloc opératoire ny hôpitaly ao Marolambo. Hiaraka amin’ny dokotera mpandidy roa manana ny maha izy azy izany hanalana fahasahiranana ny mponina. Nandritra ny fandalovan’ny sekretera jeneraly eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamana tany an-toerana no nahafantarana izany afaka omaly alatsinainy.
Kenya : Polisy iray mbola am-perin’asa nitady ny olon-tiany no voalaza fa namono olona folo tao anatin’ireny bara fisotroan-toaka ireny ny sabotsy hifoha alahady lasa teo tao Siakago, 150 km ao avaratra atsinanan’i Nairobi. Nentim-pahatezerana Ingahirainy ka izay rehetra hitany no nanamparany ny fony. Efa eo am-pelatanan’ny tompon’andraikitra ny raharaha.
Nangonin’i Pati sy RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.