• Talata 17 Aogositra 2010
Actualités.Fikarohana solika Mikatona i Bemolanga

Mangina hatreo indray aloha izany ny amin’ny fikarohana solika ao Bemolanga, distrikan’i Morafenobe. Ny ekipa teknikan’ny EMIP (Entreprise de Maintenance Industrielle et Pétrolière) tonga nanidy ny barikabe fanobiana ireo lohamenaka fanodina solika tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo no mamarana tanteraka ny asa any sy manakatona ny toeram-pikarohana solika ihany koa, raha efa ho iray volana kosa ny ankamaroan’ny mpiasa tao no naparitaka, lasa any Tsimiroro, ankoatra ny naato tanteraka. Araka ny fantatra dia 20 lahy eo sisa miambin-tanàna.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 17 Aogositra 2010
Actualités.CAPSAT Nohainoina tetsy Ankadilalana ny «Chef de corps»

Natao ny fanaovana savahao ny miaramila iray izay niambina ny toby afak’omaly alina. Nitsoaka niaraka tamin’ny basy sy ny bala 30 «cartouche» mantsy io farany. Tsy fantatra mazava izay tanjony tao anatin’izany saingy nisy avy hatrany ny fanadihadiana nisokatra momba ny raharaha.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 17 Aogositra 2010
Actualités.Raharaha fivadiham-pitokisana MD ny Ben’ny tanànan’i Brickaville

Miandry ny fitsarana azy ao Ambalatavoahangy ny Ben’ny tanànan’i Brickaville nanomboka ny 10 aogositra teo. Resaka fivadiham-pitokisana sy fanodinkodinana zavatr’olona napetraka tao aminy no anenjehan’ny fitsarana azy ankehitriny, fa tsy misy aloha raharaha mahakasika ny maha Ben’ny tanàna azy amin’ny fitantanana ny Kaominina ao Brickaville.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 17 Aogositra 2010
Actualités.Toamasina Mpitsara voadaroka, tsy mahatsiaro saina

Tranga hafa tsy mbola nisy tao Toamasina no nitranga ny alahady tolakandro teo tao Tanamakoa. Tokony ho tamin’ny efatra dia nisy niditra tao an-tranon-dRabe Arsène, mpitsara eo anivon’ny Fitsarana ambony ao Toamasina.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 17 Aogositra 2010
Actualités.Vontovorona Notifirina baomba mandatsa-dranomaso ny mpianatra

Niverina indray ny gidragidra tetsy Vontovorona omaly raha somary nangingina kely izany teo aloha teo. Nitokona ny mpianatra eo anivon’ny polytechnique ary nanakan-dalana tetsy Alakamisy, omaly tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 17 Aogositra 2010
Actualités.Asa fanaovan-gazety Faritra mena i Madagasikara

Ny fahalalahana amin’ny fivavahana, ny fahalalahana maneho hevitra, ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, ny zon’olombelona, dia samy tafiditra ao anatin’ny fanitsiana voalohany ny lalàmpanorenana amerikana.

Hamaky ny tohiny
FTT