Nisafotofoto be ny toe-draharaha teo anivon’ny ladoany Toamasina omaly talata. Misy fitokonana, tsy misy fitokonana indray. Mikatso ny famoahana entana, nefa toa mandeha tampoka eo indray avy eo. Izay no zava-nisy nandritra ny tontolo ny andro. Ny mpamoaka entana sy ny mpitatitra no fanina tao anatin’ilay toe-draharaha.
Mihidy
Fitokonana faobe no ataon’ireo mpiasan’ny ladoany eo anivon’ny tobin-tsolitany raha mifanohitra amin’izany ny eo anivon’ny “Recettes des douanes” sy ny seranan-tsambo. Mihidy tsy misy famoahana solika anio eo anivon’ity tobin-tsolitany ity araka ny fifanarahana teo amin’ireo mpiasa izay nivory omaly tamin’ny fiafaran’ny tolakandro ary efa nanaovan’izy ireo tatitra tamin’ny reseveran’ny ladoany. Raha ny fanazavana azo tamin’ireto mpiasa dia «tsy hitsahatra manomboka eto ny fitokonana raha tsy mivaly ny fangatahana amin’ny famaliana ny tombontsoa efa mby an-tanana nalana tamin’ny mpiasa hatramin’izay». Nohamafisin’izy ireo koa fa “ny sambo ‘Tanker’ ALAM BAKTI SINGAPORE ihany no sambon-tsolika raisin’izy ireo farany raha tsy voavaha ny olana sy ny fitakian’ny mpiasan’ny ladoany».
Raha nanontaniana ny antony mbola nandraisana ity sambo mpitondra solika ity moa ireo mpiasa, raha efa nandeha be ny feo omaly maraina fa tsy hisy ny fampidinana ny solika entin’ity sambo ity, dia nambaran’izy ireo fa «sambo efa tonga talohan’ny fanampahan-kevitra hitokona io, ka izay no nandraisana azy sy nampidinana ny solika tao anatiny, fa tsy azo saziana amin’ny tsy fandraisana andraikitry ny Fanjakana malagasy ny sambo».
Miandriandry
«Efa niresaka ny tenako sy ireo delegen’ny mpiasan’ny ladoany mitokona ireo. Nifanaiky aloha izahay, fa miankina amin’ny mpitokona ihany ny fanarahana izany na tsia ; fa tokony hotohizana ny asa, fa tsy azo ekena raha efa firenena sahirana izao no mbola bahanana koa ny milina fitantanana izay miantoka ny fidiram-bolam-panjakana». Izay no nambaran’ny resevera raha nangataham-panazavana tao amin’ny birao fiasany izy. Nohamafisiny ihany koa fa «raha ny zava-misy aloha dia mihodina ny ladoany, mivoaka ny entana, miasa misahana ireo antontan-taratasin’ny mpanjifa ny mpiasa. Tsy ferana koa anefa fa nisy ireo mitokona ka nampanano sarotra ny famoahana ny entan’olona teo anivon’ny seranan-tsambo».
Raha ny tranga omaly maraina dia nitokona …tsy nitokona ny mpiasa arakaraka ny mpiasa niasa anaty ora hiasany. Ny maraina tontolo dia tsy nisy niasa ny mpiasan’ny ladoany seranan-tsambo, tsy nisy koa entana afaka nivoaka sy niditra afa tsy ny mpanao lodsia sy ny mpandefa entana mianavatra amin’ny botry sy sambo kely ary ny kaontenera foana ihany. Ny tolakandro indray, niverina nisokatra indray ny vavahady faha-5 ary nisosa toa tsy misy fitokonana ireo mpiasan’ny ladoany. Nandritra ny fidinana teny an-toerana aza efa niisa 22 ireo kaontenera tafavoaka nanomboka tamin’ny 12ora sy 30min hatramin’ny 04ora sy 40mn.
Nambaran’ireo delegen’ny mpiasan’ny ladoany fa «fanerena ankolaka ataon’ny mpitondra ambony sy ny tale jeneralin’ny ladoany eo anivon’ny resevera no mahatonga ny miasa…tsy miasa…mitranga amin’ny mpiasa ato. Raha aminay dia ny 80%-n’ny mpiasa mankato ny fitakiana sy ny fitokonana, fa noho ny tahotra amin’ny maha mpiasam-panjakana dia eo ireo mbola miandriandry sy mihainohaino aloha».
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.