Actualités

Ambatoafo Sefom-pokontany namaky trano


  • Alarobia 08 Desambra 2010

Tranga somary hafahafa no niseho tany amin’ny kaominin’Ambatoafo, any amin’ny distrikan’i Sambava, faritr’i SAVA talohan’ny fifidianana teo.

Nisy nangalatra mantsy ny vola tao amin’ny lehiben’ny boriborintany tany an-toerana, izay voalaza fa vola hikarakarana ny fifidianana ary nitentina 2 600 000 Ar. Araka ny vaovao moa, dia tamin’ny fotoana izay tsy nahateo an’io lehiben’ny boriborintany io no nisy namaky teo amin’ny varavarankely ny trano fonenany, ka dia tamin’io fotoana io indrindra no nakan’ireo olon-dratsy ilay vola. Nisy avy hatrany moa ny olona izay nahiahina ho nahavita ny heloka, ka avy hatrany dia niantsoana mpitandro ny filaminana. Efa notanana vonjimaika any amin’ny fonjan’Antalaha moa ity farany, ka izy no voalaza fa nanondro ireo namany. Anisan’izany ny lehiben’ny Fokontany any an-toerana, izay nandositra rehefa voasambotra iry voalohany. Tamin’ny alahady 05 desambra lasa teo ary no nisy nahita niriaria tao Sambava ilay sefom-pokontany ka dia nosamborina avy hatrany ary dia natolotra ny mpitandro filaminana. 

Rabe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT