Actualités

Fanosihosena ny zon’olombelona Matahotra ny hiampanga tena ny FAT


  • Alarobia 08 Desambra 2010

Maro ireo mpanao politika sy fiarahamonim-pirenena mampiaka-peo noho ny fanosihosena ny zon’olombelona miseho eto amintsika mandritra ny fanjakana izao. Fisamborana sy fonja no miandry izay manohitra ny FAT raha fanakatonana kosa no mihatra amin’ireo onjampeo sahy milaza vaovao marina.

Santionany amin’ny zava-misy niainana ny famonjana ireo mpiasan’ny Radio Fahazavana sy ny fanidiana ity onjampeon’ny fiangonana FJKM ity. Niaraha-nahita tamin’ny fahitalavitra koa ny fampijaliana niaro teny ratsy natao ny mpitandrina Lala Rasendrahasina, filohan’ny FJKM, teny amin’ny Episcopat ny 17 martsa 2009. Farany teo dia voadaroka mafy ka tsy mbola salama hatramin’izao koa ireo manamboninahitra voarohirohy tamin’ny raharaha BANI. Efa nametraka fitarainana teo anivon’ny fitsarana ny heloka bevava eo amin’ny sehatra iraisampirenena na CPI tamin’ireny raharaha ireny ny GTT International.

Raha tsiahivina koa anefa dia nivoaka sempotra ny ministry ny fitsarana, Razanamahasoa Christine izay niezaka niaro ny FAT noho ny fanosihosena ny zon’olombelona eto amintsika teo anoloan’ireo mpanao fanadihadiana nandritra ny EPU na ny Examen Périodique Universelle natao tany Soisa ny volana febroary 2010. Ny 10 desambra 2010 izao moa no hankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny zon’olombelona saingy tsy hanamarika izany amin’ny fomba ofisialy ny FAT. Fanontaniana no mipetraka raha matahotra ny hiampanga tena manoloana ireo antontan-taratasy matevina ireo tompom-pahefana ka misafidy ny hangina. Tsy nipetra-potsiny anefa ny Firenena Mikambana ka hanatontosa fankalazana any Toliara amin’io andro io raha fikaonan-doha momba ny fanatsarana ny fanajana ny zon’olombelona kosa no hataon’ireo fikambanana mpiaro ny zon’olombelona eto an-drenivohitra. Nanomboka omaly ka hatramin’ny alakamisy 09 desambra dia misy ny atrikasa tarihin’ny ACAT ka anasany fikambanana 10 etsy Andoharanofotsy. Tapak’ireo mpivory tamin’ny andro voalohany fa tokony hampidirina ho taranja any an-tsekoly ny resaka zon’olombelona ary ilaina koa ny fananganana fikambanan’ny tanora miaro ny zon’olombelona. Manam-pikasana handika amin’ny fitenim-paritra ny fanambarana ny zon’olombelona koa izy ireo.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT