Actualités

Magro Nosamborina ny mpiambina


  • Alarobia 08 Desambra 2010


Vao maraim-be omaly dia efa nisy ny fisamborana teny Ambohimanarina. Raha araka ny fantatra dia lehilahy iray izay mpiambina ny Magro io farany. Voarohirohy ho tafiditra amin’ny asa fampihorohoroana teto an-drenivohitra raha araka ny fanazavan’ny zandary izay nanao ny fisamborana izay narahin’ny fisavana ny tranony. Miaramila teo aloha ity lehilahy ity ary efa nahiahiana ho tompon’antoka tamin’ny fanaparitahana baomba sy fanipazana grenady, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny zandary. Ny loharanom-baovao mitovy ihany no nahafantarana fa mbola misy olona maromaro manodidina azy no manampy amin’ity asa ratsy ity. Hatreto dia tsy mbola nilaza na inona na inona ny mpanao famotorana mba ho fiarovana ny tsiambaratelon’ny famotorana. Raha araka ny fantatra koa anio dia mety hihaona amin’ny mpanao gazety ny lehiben’ny Emmo-Reg ary hanome fanazavana misimisy kokoa momba ity fisamborana ity. 

r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT