Ny alatsinainy 06 desambra tokony ho tamin’ny folo ora alina no nentina haingana tamin’ny fiaramanidina haingam-pandeha, «Jet Privé» an’ny orinasa Henri Fraise nihazo an’i La Réunion, i Pascal Rakotomavo.
Mahakasika ny lalandra no nahavoa azy tampoka. Ankoatra ny vadiny dia nisy dokotera nitsabo azy teto nanaraka azy nankany La Réunion. Mafimafy ihany ny fahavoazana araka ny loharanom-baovao. Nasiana seraoma mihitsy izy tamin’ny nialany teto. Efa zokinjokiny ihany izy, 76 taona.
Mpanao politika diso fantatra eto Madagasikara i Pascal Joseph Rakotomavo. Praiministry Deba izy, voatendry ny 21 febroary 1997, taorian’ny niverenan’ity farany teo amin’ny fitondrana rehefa avy sesitany tany ivelany tany. Talohan’izay dia efa ministry ny toekarena sy ny vola (1982-1989) ary efa mpanolotsaina manokan’i Didier Ratsiraka (1989-1993). Olona anisan’ny natokisan’i Deba i Pascal Joseph Rakotomavo. Manamarina izany ny nanendrena azy ho governoran’ny faritany mizakatenan’Antananarivo teo anelanelan’ny jona 2001 sy 2002 avy eo nosoloina ny jeneraly Raveloarison Léon Claude, rehefa raikitra ny sahotaka taorian’ny fifidianana ka niteraka krizy teto. Efa talen’ny fampielezan-kevitry ny Amiraly ihany koa izy ny taona 2001.
Pascal Rakotomavo no hany tsy nanao sonia ny didim-panjakana namindrana vonjimaika ny renivohitr’i Madagasikara tany Toamasina, tamin’ireo governora enina am-perinasa tamin’izany. Izay koa angamba no mety ho tsy nanenjehan’ny fitsarana azy tamin’ireny raharaha 2002 ireny, tsy toy ireo governora hafa. Raha nangingina teo amin’ny sehatra politika izy nanomboka teo, fa niverina tany amin’ny sehatry ny fandraharahana nahalalana sy nahombiazany ihany koa, dia niseho masoandro ampahibemaso indray teo anilan’i Andry Rajoelina rehefa nanomboka nihantsy ny fitondrana Ravalomanana ingahy Ben’ny tanàna. Anisan’ireo voalohany tonga teny amin’ny kianjan’ny demokrasia niaraka tamin-dry Ny Hasina Andriamanjato, Roland Ratsiraka, … izy ny 17 janoary 2009, hetsika nitohy tany amin’ny fanonganam-panjakana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.