Miha manakaiky ny andro fety, miha mahazo vahana manaraka izany ihany koa ny asan-jiolahy, izay no zava-misy ao Toamasina tato ho ato izay. Matihanina sy tsara rindra raha ny fahitana ny fomba fiasan’ireo jiolahy ankehitriny. Tsy manao andiany maro be tahaka ny tany aloha intsony, fa vitsy mahavita no tanjona mba tsy hanamaro isa ny fizarana ara-bola aorian’ny «mission» atao rehetra.
Tratra ambodiomby teo am-pangalarana ny sabotsy alina nifoha ny alahady maraina teo ny jiolahy 12 mirahalahy, raha nikasa ny hangalatra ny lavanila tao anatina magazaina «transit» iray tao Toamasina. Lavanila efa tao anaty baoritra niisa 100 mahery ireto nokasaina nangalarina ireto. Lavanila saika eo haondrana izy ity. Arifomba ireto jiolahy ireto, nampiasaina avokoa mantsy na ny finday na ny «talky walky» hanamorana ny fifandraisana ho an’ireo anaty magazay sy ny ety ivelany ary ny mpitatitra.
Tsy tontosa hatramin’ny farany anefa ny «mission» natao noho ny vaovao azon’ny polisy ara-potoana, dia izao sarona ambodiomby izao. Tratra hatramin’ny fiara vaventy «semi-remorque» saika hitaomana ny entana ihany koa. Nambaran’ireo polisy manao ny fanadihadiana, na tsy milaza ny marina ny mpaniraka sy mety hamarotana ny vanila saika nangalarina izao ireto jiolahy 12 mirahalahy ireto, dia tsy tongatonga ho azy izany, fa tsy maintsy misy «patron» mpaniraka sy nampanao «mission» tao matoa tafiditra hatramin’ny mpiambina tsy miankina tao anatin’ilay raharaha, izay nanamora ny fidirana tao anaty magazay. Mandeha ny fakana am-bavany sy ny fanadihadian’ny fitsarana mpanao famotorana mikasika ny raharaha, ka ho hita eo izay ho vokany sy ireo olona tao ambadika rehetra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.