• Alarobia 22 Desambra 2010
Actualités.Fiambenana ny fonjaben’i Toamasina «Consignés» nanomboka ny 17 novambra ny mpiasa rehetra

Fotoana mampirongatra ny fitsoahana fonja ny andro fety tahaka izao, dia ny krismasy sy ny faran’ny taona. Noho izay indrindra dia nohamafisina ny fiambenana ny fonjaben’i Toamasina, satria efa maro ny zava-nisy sy ny tranga niainan’ireo mpandraharaha ny fonja raha manakaiky tahaka izao andro fety.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 22 Desambra 2010
Actualités.Seraseran’Ambohitsorohitra Lasa fitaovana fanenjehana olona fotsiny

Miditra an-tsehatra hatrany ny sampana seraseran’Ambohitsorohitra raha vao misy ny hevitry ny olona izay manakiana ny filohan’ny FAT. Ny tena olana dia lasa fitaovana fanenjehana olona ity sampana ity, izay raha ny tokony ho izy dia entina hanatsarana ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, ny mpanao gazety ary ny besinimaro no tena tokony hifotorany.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 22 Desambra 2010
Actualités.Kaominina Antsirabe I Ny vola sakanana tsy hiditra, ny karama takiana

Mbola nitohy ary tsy mbola hita ny fivoaran’ny raharaha fitakiana ataon’ny mpiasan’ny Kaominina Antsirabe I hatramin’ny omaly. Fantatra fa tonga nijery akaiky ity raharaha ity ny lehiben’ny Distrika Antsirabe I ary nampahafantatra ireo mpitokona fa misy ny lalàna ka tsy azo sakanana izay olona te hiasa rehefa nahazo ny volany izy ary tsy maintsy misy ny mpiasa mamita asa amin’ny maha fisahanana asam-bahoaka ny Kaominina.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 22 Desambra 2010
Actualités.Fitsarana – Mpitandro ny filaminana «Tsy misy manatanteraka ny baikon’ny fampanoavana»

«Ity vao raharaha» araka ny tenin’ny tanora izay. Tsy fantatra intsony mamtsy ankehitriny izay lehibe sy to teny amin’ireto mpitandro ny filaminana Malagasy, OPJ no lazaina eto, fa ny baiko midina avy eny amin’ny fampanoavana izay lehibeny araka ny lalàna aza tsy misy manatanteraka.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 22 Desambra 2010
Actualités.Jeunes Cadres Arema Tsy manaraka ny lalam-pifidianana ny datin’ny 16 martsa 2011

Raha tsy misy indray ny fiovana dia amin’ny 16 martsa izao no hotontosaina eto amin’ny firenena ny fifidianana solombavambahoaka.

Hamaky ny tohiny
FTT