Samy manana ny fahitany sy ny fomba fijeriny ny fahasahiranan’ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar sy ny sazy mihatra amin’ireo fiaramanidina ampiasainy ka tsy mahazo miditra any Eoropa intsony ny tsirairay.
Ho an’ny Dr Rakotomalala Nirina mpitarika ny TIM Alemaina teo aloha dia efa hatry ny ela no niandohan’io fahasahiranan’ny Air Madagascar io noho ny tsy fahaizantsika Malagasy mitantana, teo ihany koa ny fanapahan-kevitra tsy nifanaraka tamin’ny zava-nisy sy ny gaboraraka tao. Nahitsy ny tenin’ny Dr Rakotomalala Nirina fa ny fivarotana ilay fiaramanidina Boeing nampitondraina ny anarana hoe Ankoay no niantombohan’izao olana rehetra izao satria niditra tamin’ny fanofana fiaramanidina ny Air Madagascar kanefa azony natao tsara ny nividy fiaramanidina na dia iray monja aza, araka ny fanazavany ihany. Ankoatra izay dia maro be ihany koa ny tsy fetezana sy tsy fahatomombanana ao anatin’ireo fiaramanidina eto amintsika, ka nijoroan’ny Dr Rakotomalala Nirina vavolombelona.
Nambarany ary fa sahirana ireo mpandeha amin’ny Air Madagascar rehefa mandalo ny antsoina hoe «zone de turbulence» ny fiaramanidina satria misokatra ny ankamaroan’ireo fitoeran’entana amin’ny sisiny ambony ka mianjera amin’olona ao anaty fiaramanidina izany. Misy ihany koa, araka ny nambarany ihany, ireo seza tsy mahitsy tsara ka manome fanafintohinana ireo mpandeha. Efa an-taonany maro moa no mivezivezy avy any Eoropa ka mankaty Madagasikara ny Dr Rakotomalala Nirina ary milaza ny mahafantatra tsara ny zava-misy iainan’ny mpandeha ny fiaramanidin’ny Air Madagascar. Aminy dia tsy vahaolana velively ny fanofana fa aleo mividy fiaramanidina dia kojakojaina sy karakaraina tsara ilay izy ary tsy tokony hisy intsony ny gaboraraka amin’ny fitantanana. Raha natao ny kajy tsotsotra, araka ny nambarany, dia mahazo vola hatrany amin’ny 500 000 euros amin’ny sidina iray mampitohy an’i Parisy sy Antananarivo ny fiaramanidin’ny Air Madagascar iray, raha toa ka feno ny toerana ary mandoa saran-dalana ara-dalàna ny mpandeha rehetra. Ny olana anefa, araka ny nambarany, dia be loatra ireo mpitondra fanjakana sy mpiasan’ny Air Madagascar no mahazo tombontsoa manokana ka na mandoa amin’ny ampahany kely fotsiny ny saran-dalana, na tsy mandoa mihitsy. Ho fanampim’izay dia be loatra ireo mpitsetsitra ny tombombarotra azon’ity kaompaniam-pitaterana ity ka izany no antony maha sahiran-dava azy ara-bola, araka ny filazan’ny Dr Rakotomalala. Nirina ihany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.