Hifanotrona eny amin’ny Tranompokonolona Analakely ireo sendikan’ny mpiasa samihafa amin’ny fankalazana ny Fetin’ny asa maneran-tany amin’ity taona 2011 ity.
Tsy hisy izany ny filaharana toy ny mahazatra atao fa ao anaty trano no mety hisy sorabaventy samihafa harentirenty. Satria mitontona andro alahady io fanamarihana io dia naroson-dry zareo CTM mpikarakara ho ny sabotsy 30 aprily izany fanamarihana izany. Araka ny fanazavana azo dia karazana valandresaka hitondrana fanazavana misimisy kokoa amin’ny fahasahiranana ara-tsosialy sy ny zava-manahirana ny mpiasa amin’ny ankapobeny no hatao amin’io andro io ka afahan’ny mpanotrona mametra-panontaniana any amin’ny farany. Araka izany dia hiantsoan-dry zareo ny mpiasa tsy an-kanavaka rehetra manerana ny Nosy ity hetsika ity. Nomarihan’ny Sekretera jeneralin’ity sendikan’ny mpiasa Malagasy ity fa efa roa volana katroka izay no nandefasan-dry zareo ny fangatahana ny hanaovana ity hetsika ao amin’ny Tranompokonolona Analakely nefa ny alarobia 20 aprily vao nahazo valiny izy ireo.
Ny fanomezan-dalana aza izay nambaran’ny prefektora fa omaly alarobia no hamalian-dry zareo azy dia fantatra izao fa nahemotra rahampitso zoma indray izany ka eo vao fantatra na ho eny na ho tsia ny valiny. Na izany na tsy izany anefa dia nambaran-dry zareo CTM fa efa azo kosa ny fahazoan-dalana amin’ny trano etsy Analakely ary efa vonona amin’ny fikarakarana rehetra ry zareo. Anisan’ny sendika hanatevin-daharana ity hetsiky ny CTM ity ry zareo sendika FISEMARE amin’io sabotsy 30 aprily tolakandro io, araka ny nambaran’ny mpikambana iray ao amin’ny birao mpanatanteraka ao aminy, Rtoa Priscilia Rakotomalala. Ny maraina ry zareo dia mbola hitafa manokana amin’ny mpanao gazety etsy amin’ny foiben-toerany Ankadifotsy Befelatanana ary avy eo dia mbola hiaraka hisakafo ho mariky ny firaisankinan’ny mpikambana izay mahatratra 1500 raha ny eto Antananarivo fotsiny no ambara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.