«Tsy mbola afaka manome daty matotra amin’ny ho fidiran’ny mpianatra ety amin’ny ambaratonga ambony izahay fa anjaran’ny minisitra sy ireo filohan’ny Oniversite 6 eto amintsika miaraka amin’ny fifanarahana amin’ny SECES no mamoaka izany », hoy i Jean Eric Rakotoarisoa, filoha lefitry ny Oniversiten’Antananarivo.
Ny ataonay izao, hoy izy dia manokatra ny fisoratana anarana ety Ankatso. Nilazanay ireo mpianatra ny amin’ny famitana dieny izao ny famenoana antontan-taratasy rehetra mba hahafahana mianatra avy hatrany tsy misy andraso andraso intsony raha vao mivaha ny olana mitoetra ankehitriny. Nomarihan-dRakotoarisoa fa nametraka mazava ireo filohan’ny oniveriste enina fa tsy afaka hanomboka mihitsy ny fampianarana ambony eto amintsika raha tsy eo ny tetibola telo volana voalohany tamin’ity taona ity farafaharatsiny izay tsy azo hatramin’ny izao. Dia mbola nangatahan’izy ireo ihany koa, hoy ny fanamarihana ihany, ny hoe tokony homanina ao koa ny karaman’ny mpandraharaha sy ny vatsim-pianaran’ny mpianatra mba tsy hisian’ny fahatapatapahan’ny fampianarana intsony amin’izay. Manaiky ity filoha lefitry ny Oniversite ity fa hisy fiantraikany amin’ny mpianatra tokoa, indrindra ireo vao afaka bakalôrea farany teo izao fahataran’ny fidirana eny amin’ny ambaratonga ambony izao.
Mandrisika ireo tanora izy, araka izany, mba tsy ho varimbariana fotsiny amin’izao fa mba hiezaka hamerimberin-desona ihany fa eny amin’ny Oniversite tsy hisy mihitsy izany resaka «remise à niveau» izany fa avy hatrany dia vavany ny lesona vaovao eny. Marihina fa nisy fihetsiketsehana nataona andiana mpianatra avy ao amin’ny «Médecine» teny Ankatso omaly alarobia nikasa hitaona ny namany tao amin’ny «Lettres» hiaraka amin’izy ireo nefa tsy mbola nisy mpianatra moa tao fa ireo mpijerijery petadrindrina no betsaka ka dia ny nanoratsoratra tamin’ny tsaoka ny hetahetam-pon’izy ireo teo amin’ny «Esplanade» no nanalan’izy ireo vonkina. Hita teo amin’ny soratra tamin’izany ny hoe andao handray andraikitra ry mpianatra Malagasy fa mijaly isika : «C’est la rentrée !». Raha nitsidika ny asa fanamboarana ny tranon’ny mpianatra teny Ankatso II i Andry Rajoelina omaly tolakandro dia nilaza fa tsy hisy taona fotsy izany.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.