Actualités

RNM sy TVM Anosy Tsy voaloa ny volan’ireo orinasa nanao ny fanarenana ?


  • Alakamisy 28 Aprily 2011

Miomana hankalaza ny faha-80 taona nisiany ny radio nasionaly malagasy na RNM, sampana iray ao anatin’ny haino aman-jerim-panjakana mivondrona eo anivon’ny ORTM.

Rahampitso 29 aprily no mitsingerina io vanim-potoana lehibe io ary hisy fanamarihana manokana ho amin’izany. Eo indrindra anefa no mipoitra ny fitarainan’ny mpiasa eo anivon’ity ORTM ity. Andaniny mahakasika ny fotodrafitrasa eo Anosy misy ny foiben’ny RNM sy ny TVM. Sisan’afo tamin’ilay doro tanàna nitranga ny 26 janoary 2009 izy io. Roa taona aty aoriana dia mbola mivandravandra eo ny tandindon’izany fahavoazana tsy roa aman-tany izany, izay nahalasa lavenona ny tahirim-bakoka mirakitra tantaram-pirenena Malagasy tao. Nisy ny asa fanarenana nataon’izao fitondrana izao nahafahana nandefa indray ny radio sy ny fahitalavi-panjakana. Araka ny fantatra dia tontosa an-tsakany sy an-davany ny asa, saingy arahin-trosa hatramin’izao fa tsy mbola voaefa ny volan’ireo mpandraharaha nanao ny fanarenana sy ireo mpamatsy ny entana sy ny fitaovana nentina nampandehanana sy nanodinana ny haino aman-jerim-panjakana.

Nisy anefa, araka ny loharanom-baovao hatrany, ny asa fanavaozana ny rihana fahatelo ao amin’ny trano namboarin’ny fitondrana teo aloha ho an’ny TVM, sy fanamboarana ara-mekanika ny fiarakodia roa tao, voaloa avy hatrany. Koa mampalahelo, hoy ireo mpiasa, raha fitaovana handraisam-pitenenana amin’ny kabary ifandimbiasana sy entina hanaparitahana mivantana ny sary sy feo isan’andro manerana an’i Madagasikara no mbola zary trosa nefa hankalaza makotroka ny faha-80 taona.
Itarainan’ny mpiasa ihany koa ny fitaovana enti-miasa. Matetika no miala am-paosy, noho ny fitiavana ny asa. Ny manahiran-tsaina ny ankamaroan’ny mpiasa koa ny fandrirarirana azy ireo amin’ny fahazoana ny tambin-karama sy ny fanonerana ny saram-pitsaboana. Manao antso fanairana amin’ny ministera mpiahy izy ireo, hijery akaiky ireo tranga ireo. Milaza ny handray fepetra hentitra ao anatin’ny fotoana fohy ireto mpiasa ireto raha tsy voavaha ny olana, na tsy nambaran’izy ireo aza ny endrika hisehoan’izany.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT