Anisan’ny loza nitranga faramparany tamin’ny andron’ny alatsinain’ny Paska ny teny amin’ny lalana By Pass miala metatra vitsy monja amin’ny fihaonan-dalana amin’ny mankany Ankadindratombo sy Alasora.
Tamin’ny fotoana nandalovan’ny Tia Tanindrazana teny an-toerana nanodidina ny tamin’ny 12 ora alina tany ho any dia mbola tazana teo ireo fiara roa nifandona dia ny Taxibe Mercedes 307 sy ny Express menakely nitondra olona 5. samy nahitana fahavoazana goavana avokoa izy ireo na dia hita ho mafimafy kokoa ny nahazo ilay fiara kely. Olona 5 no tao anatin’ity farany izay saika hanatitra fanamafisam-peo any Alasora ka voalaza fa nisy voadona mafimafy ihany tamin’izy ireo dia ireo olona roa teo aloha izany. Ny vaovao azo farany no nahafantarana fa mihatsara ny fahasalaman’izy ireo. Raha ny fanazavana azo teny an-toerana alina dia hoe : niala fiara iray nijanona an-tsisin-dalana ilay 307 no nifatratra tany amin’ilay Express izay efa naka sisiny havanana nefa mbola tratra ihany. Lalana anisan’ny ahenoana lozam-pifamoivoizana matetika iny lalam-baovaon’ny By Pass iny. Sodoka ny lalana tsara sy mikodana matetika ny mpamily ka manararaotra ny mandeha mafy mitsapa ny herin’ny fiarany. Be ihany koa anefa ireo loza mitranga eny vokatry ny fanendrena zava-pisotro mahamamo diso tafahoatra.
SARY : Mafy ny fifandonan’ity Mercedes sy Express kely ity teny amin’ny By Pass
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.