Tratra ny tanjona ho an’ny distrikan’i Mandoto nandritra ny fanamarihana ny herinandro ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Tafakatra 100 % ny salan’isan’ireo zaza latsaky ny 23 volana vita vaksiny raha 98 % kosa ireo Reny mitondra vohoka vita vaksiny ihany koa. Tsy latsa-danja tamin’izany ireo Reny vao tera-bao nizarana ody kankana sy ny vitamina A.
Ny distrikan’i Mampikony no nampiantrano ny fankalazana nasionaly ny andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina tazomoka tamin’ity taona 2011 ity. Nosafidiana manokana ity distrika ity noho ny haavon’ny tahan’ireo olona tratry ny aretina tazomoka any an-toerana. Asa fanadiovana ny bazaribe ao Mandrosoa narahin’ny filaharambe namakivaky ny tanàna nandraisan’ireo hery velona rehetra anjara no nanamarihana ny lanonana.
Miatrika fiofanana momba ny pedagogika ireo mpanabe any amin’ny distrikan’i Morondava. Tompon’antoka amin’ny fampiofanana ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana sy ny chef zap any an-toerana hahafahana manatevina ny traikefa hananan’izy ireo amin’ny fitsarana ny taratasim-panadinana. An-jatony ireo mpanabe miatrika izany any an-toerana izay marihina fa tsy ho an’ity distrika ity ihany fa miparitaka manerana ny Nosy mihitsy.
Tontosa omaly tetsy amin’ny Cite Ambatonakanga ny fihaonana notontosain’ny CREM tamin’ireo mpampahalala vaovao na ny fikambanan’ireo ekonimista eto amintsika tohin’ny famoahan’izy ireo ilay boky «Livre blanc» mirakitra ny fomba fitantanana tokony hatao hahafahana manarina ireo lesoka tsy nampandroso ny firenena hatramin’izay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.