• Talata 28 Desambra 2010
Actualités.Tontolon’ny Oniversite Hosaziana ireo mpampianatra mitokona ?

Ankoatra ny tontolo politika dia azo antoka koa izao fa hafampana ny eny amin’ny oniversite eny amin’io taom-baovao io. Tsy mbola nisy valiny mahafa-po avy amin’ny fitondrana tetezamita mantsy hatramin’izao ny fangatahan’ireo mpampianatra mpikaroka mivondrona ao amin’ny SECES, ka mety hiverina amin’ny fanaovana fitokonana indray izy ireo amin’ny 3 janoary 2011.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 27 Desambra 2010
Actualités.Tanànan’i Mahajanga Dorana fa tsy misy maka ny fako

Manoatra noho eny Andralanitra ny setroka mijolofotra avy amin’ireo toerana fanariam-pako ao an-tanànan’i Mahajanga. Miavosa etsy sy eroa ny fako fa tsy misy mpaka.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 27 Desambra 2010
Actualités.FIGN Fort-Duchesne Lasa Toby Lietnà Kolonely Mohajy Andriamahasolo

Tontosa ny zoma 24 desambra teo ny lanonana ara-miaramila nitsofan-drano ka nampitondraina ny anaran’ny Lietnà Kolonely Mohajy Andriamahasolo, izay efa nodimandry, ny Toby Hery vonjy taitra (FIGN) Fort-Duchesne manomboka izao.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 27 Desambra 2010
Actualités.Kly Charles sy ny Cemgam Mety tsy ho raikitra ny fampifanatrehana

Ho vita sa tsia ny famotorana mikasika ny raharaha BANI teny Ivato, ny 17 novambra 2010 ? Raha ny fanazavan’ny ministry ny Fitsarana Razanamahasoa Christine aloha no zohina dia tsy maintsy vitaina amin’ity taona 2010 ity ny famotorana mikasika iny raharaha iny.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 27 Desambra 2010
Actualités.Marc Ravalomanana Miantso ny Malagasy samy handini-tena

Na any ampitan-dranomasina aza dia nahatsiaro manokana ny Vahoaka Malagasy ny filoha Marc Ravalomanana tamin’izao andron’ny Noely 2010 izao. Nisy ny hafatra nataony, ho firariantsoa.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 27 Desambra 2010
Actualités.FIP Toamasina Niasa mafy, nanenjika “bois de rose”

Vaovao anisan’ny nahazo vahana sy nahafantaran’izao tontolo izao an’i Madagasikara sy ny mpitondra FAT, ny resaka bolabola na ny «bois de rose». Efa namoahan’ireo mpiaro ny tontolo iainana vahiny horonantsary mihitsy ny zava-misy rehetra, sy ny fomba ratsy amin’ny fanaovana trafika atao ary ny antony nandringanana ireo hazo sarobidy Malagasy ireo natao tantely afa-drakotra.

Hamaky ny tohiny
FTT