Actualités

Asa fanaovan-gazety Hadino tanteraka ny fanamarihana natao


  • Alarobia 04 Mey 2011

Tsikera amin’ny fahitana ny zava-misy sy soso-kevitra amin’ny heverina hanatsarana ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety no saika nibahan-toerana tamin’ny fanehoan-kevitra tetsy amin’ny foibe fanofanana Samis-Esic Amparibe omaly tao anatin’ny fanamarihana ny andron’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety.

 Tsy hita taratra tao loatra ny amin’izay fahalalahana nankalazaina izay fa ny sary naneho ny tsy fisian’izany dia avy any ivelany avokoa fa tsy mba naseho ny zava-misy eto Madagasikara amin’izao fitondrana FAT izao, toy ny fanakatonana haino aman-jery sy fanagadrana mpanao gazety indrindra indrindra. Ny Révérend Père Mananto Jacques tompon’andraikitra voalohany ao amin’ity ivontoerana ity dia nanamarika fa nofidiana ny lohahevitra «journalisme victime du journaliste» na ny mpanao gazety ihany no mandoto ny asa fanaovan-gazety, mba hitondrana adihevitra fotsiny. Toy izao ny santionana fanehoan-kevitra tao anatin’izany andron’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izany omaly :

 

Raliarison Jean Victor (Radio Feon’ny Vahoaka) : «Mangataka ny hamerenana ny RFV (Radio Feon’ny Vahoaka) izahay. Tokony havahana ny «Carte de service» sy ny «Carte de presse». Aminy ny asa fanaovan-gazety dia asa sarotra, makadiry, asa masina ka tsy tokony hanaovana andranandrana.

Lalaina Ralaiarijaona (Mpianatra Samis-Esic) : Nahatsapa fa tsy tsy voaaraka ireo zavatra rehetra niofanana rehefa tonga eny amin’ny sehatry ny asa. Hitany fa tsy ny olona nanao fiofanana mpanao gazety no miasa amin’ny toerana haino aman-jery fa olona nahazo fiofanana hafa mihitsy.

Jean René Ravonjy (mpanao gazety taloha) : Ilana 3P ny asa fanaovan-gazety (patience, persévérence, prohibité).

Rémi Rahajarizafy (mpanao gazety zokiolona) : «Zavatra nanaitra ahy ny tsy fahaizan’ny mpanao gazety teny malagasy.

Ratovonarivo Richard Claude (mpanao gazety any ivelany) : «Tokony hapetraka ny “barême de salaire” hialana amin’ny ‘felaka’.

Olga Randrianarison (vehivavy mpaka sary matihanina voalohany) : «Rehefa tsy faly amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto dia aleo misintaka any an-kafa aloha».

Tahitsy Gilbert (Tale ao amin’ny ministeran’ny serasera) : «Tokony hezahina ny fampahafantarana an’i Madagasikara ny mpanao gazety fa mandiso ny vaovao atolotra».

James Ramaroson (Ceni) : «Asa mahafinaritra io rankizy â : bien io rehefa hainareo ny miasa tsara amin’ny tokony ho izy. Aza raisina amin’ny lafy ratsiny ny felaka sy ny coktail».

Jeannot Ramambazafy (Madagate) : “Ny toerana hifandimbiasana fa ny asa fanaovan-gazety mitoetra. Ny “formation sur le tas foana no tena tsara”. Ny mpanao gazety afaka manome vaovao ary afaka mandiso vaovao. Tombontsoan’ny asa fanaovan-gazety ny fahalalana olona”.

Rakotondrasoava Georges (mpanao gazety zokiolona) : “Amiko tsy ekeko ny “dépénalisation” mpanao gazety. Eo amin’ny asa dia tokony ho fanalalahana no atao fa tsy fanagejana azy.

Ndriana Ralaimanisa (Bni) : “Tokony hifamadika ity lohahevitra ity ka tsy “journalisme victime du journalite” no izy fa “journaliste victime du journalisme”. Tsy misy fahalalahana ny asa fanaovan-gazety amin’izao fotoana izao.

Vero Rabakoliarifetra (mpanao gazety zokiolona) : «30 taona tao amin’ny TVM aho. 2 taona izao ny hoe fanovana : efa miasa an-kalalahana tokoa ve ireo zandrinay ao amin’izao fotoana izao ?»

Ruffin Rakotomaharo (Rnm) : «Tsy laboratoara ny ao amin’ny RNM ary tsy hanam-potoana hitarihana anareo ny mpiasa ao».

Gérard Rakotonirina (Madagascar Tribune) : “Tokony hisy lalàna miaro ny journalisme d’investigation”

Mox Razafindramiandra : “Tokony mba hanana masoivoho any ivelany toy ireny Rfi … ireny ny asa fanaovan-gazety Malagasy, mampita tsy tapaka ny zava-misy any ivelany any”.

Nathalie Rabe (Minisitra teo aloha) : “Tsy an’ny asa fanaovan-gazety irery ilay sata fa an’ny mpiserasera rehetra ka izay no tsy mety ahatafavoahany fa atao anjorom-bala ny mpiserasera hafa ao anatin’ny fandinihana azy”.

 
Nangonin’i Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT