Actualités

Minisitra nitsidika tany atsimo Namela trosa 2 tapitrisa ariary tao amin’ny hotely


  • Alarobia 04 Mey 2011


Velon-taraina ny mpandraharaha amina hotely iray ao Tolagnaro nampiantrano ny iraky ny governemanta notarihin’ny minisi-panjakana misahana ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana, Rakotoarison Yves Aimé sy Reboza Julien, minisitry ny rano ary Razafimbelo Alain, minisitry ny asa vaventy, nanao fitetezam-paritra tany atsimon’ny nosy nanomboka ny 14 aprily lasa teo iny. Araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana dia namela trosa roa tapitrisa ariary izy ireo, ary tsy mbola voaloa hatry ny omaly nandraisana ny vaovao. Mazava fa hiteraka vesatra vaovao ho an’ilay hotely izany, izay efa efa iantraikan’ny krizy nefa tsy aloa vola indray. Sa izay no fanao rehefa manampahefana ?

 

Nangonin’i Jean D

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT