Actualités

Asa fanaovan-gazety Misy manafangaro amin’ny politika


  • Alarobia 04 Mey 2011

Toerana telo samy hafa no nisy hetsika fankalazana ny andro iraisam-pirenen’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety teto an-drenivohitra omaly 03 mey. A

Anisan’ireny ny famelabelaran-kevitra momba ny lohahevitra “le journalisme, victime du journaliste” tao amin’ny Semis Esic, sekoly tsy miankina fanofanana mpanao gazety, izay nanasana ny mpanao gazety rehetra sy ireo mpanao gazety zokiolona ihany koa. Niatrika ity fotoana ity ny minisitry ny serasera Rahajason Laurent izay tsy niresaka na dia kely akory aza momba io lohahevitra io. Na izany aza dia niaiky ny tenany nandritra ny lahateniny fa tsy mbola misy ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara ary mbola mavaivay ihany koa ny tontolony, efa roa taona izao. Mametraka ho tanjona ny famerenana ny haja amam-boninahitr’ity asa ity sy ny fihavanan’ny mpanao gazety moa ny tenany. Hiara-kientana aminy amin’izany ireo filohan’ny holafitra teo aloha. Ankoatra izay dia nambarany fa tsy hisy intsony ny fanagadrana mpanao gazety ao amin’ny lalàna vaovao hifehy ny serasera. Isan’ireo Nandray anjara fitenenana nandritra ny famelabelaran-kevitra koa i Anicet Razafintsalama, filohan’ny holafitry ny mpanao gazety teo aloha.

Endrika fanontaniana no nitondrany ny fanehoan-keviny mikasika ireny raharaha 2009 ireny. “Ao anatin’ny asa fanaovan-gazety ve ny fitarihana olona hikomy, ny fifanasana vangy ary ny fifandranitana ?”, hoy izy. Notsiahiviny fa tsy tokony hatao fitaovana fitolomana politika ny gazety sy ny fahaizana manao gazety. Raliarison Jean Victor, mpanao gazetin’ny Radio Feon’ny Vahoaka, izay sady nanangana ny onjampeo tsy miankina voalohany teto Madagasikara kosa indray dia nanapotsitra mivantana ny fanafangaroana ny asa fanaovan-gazety sy ny fanaovana politika izay zava-misy ao anatin’izao tetezamita izao. Henjana koa ny teniny manoloana ny tsy fifehezana ilay asa amin’ny ankapobeny toy ny tsy fahampian’ny fanadihadiana lalina, ny tsy fahaizana ny teny Malagasy, ny tsy fahampian’ny fahalalana momba ny sehatra.

 

Yves  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT