Actualités

Asa fanaovan-gazety eto Madagasikara «Mbola be ny ezaka mba hahamatihanina azy»


  • Alarobia 04 Mey 2011

«Ny fampitam-baovaon’ny taonjato faha-21 : zava-baovao sy sakana vaovao”, io raha adika tsotsotra ny lohahevitra nosafidian’ny Firenena Mikambana nanompanana ny fanamarihana ny andro eran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety.

Nitondra fanovana lehibe teo amin’ny fampitam-baovao ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana, ny internet na aterneto, hoy isika. 20 taona taorian’ny nanokanana andro eran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, hoy i Céline Seignon, mpitarika ny serasera eo anivon’ny Firenena Mikambana dia tena niova endrika ny fampitam-baovao. Tsy niova kosa anefa ny tanjona dia ny fampiroboroboana ny fahalalahana maneho hevitra izay fototry ny maha olona sy ny fehizoron’ny demokrasia. Mitaky andraikitra anefa izay fahalalahana izay, hoy i Fatma Samoura, mpandrindra ny Firenena Mikambana monina sy miasa eto amintsika. «Raha manana ny fahalalahana hanoratra sy hiteny ianareo mpanao gazety, dia manana andraikitra hanoratra sy hiteny ny marina. Tsy maintsy hajainareo ny etika sy ny deontolojia ho amin’izany”, hoy izy. Ny mpanao gazety, hoy ihany izy dia mitana andraikitra goavana amin’ny fametrahana sy fanamafisana ny fampandrosoana ao amina firenena iray amin’ny maha mpampahalala vaovao sy mpanabe azy.

Araka ny fanazavan’ity mpandrindra ny  asan’ny Firenena Mikambana ity, raha jerena, hoy izy ny tatitra nataon’ny “Centre d’études sur les conflits, le développement et la paix”, na ny CCDP Genève momba an’i Madagasikara dia mbola lavitra ny ezaka mba haha matihanina ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Vonona hanampy anareo ny Firenena Mikambana, hoy Rtoa Samoura. Fa ankoatra ireo dia lohahevitra maromaro no nifampizarana teny amin’ny biraon’ny Firenena Mikambana Andraharo omaly. Raha nanasongadina ny momba ny maha zava-dehibe ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana ny NTICS i Mamiharilala Rasolojaona, dia ny olana sy ny mety ho tombontsoan’izany kosa no novoaboasan’i Tsilavina Ralaindimby. Tamin’izany no namantarana fa nitombo hatrany amin’ny 1800 isan-jato ny mpampiasa internet aty Afrika. Mbola any amin’ny laharana faha-121 no misy an’i Madagasikara.

Momba ny fampitam-baovao indray dia tsy fantatra intsony izay tokony hinoana. Ary dia karazana fitaovana hampitontongana ny lanjan’ny asa fanaovan-gazety ny internet. Mifangaro ny seraseran’ny tena manokana sy ny fampahalalam-baovao amin’ny ankapobeny amin’ny internet, hoy kosa i Stéphane Jacob ary dia miteraka fahasahiranana ho an’ny gazety an-tsoratra izany. Vokany, hoy izy, dia tsy maintsy mijery fomba hafa ity farany hahombiazany bebe kokoa.

 
Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT