Actualités

Raharaha Air Madagascar “Ny ACM no fototry ny olana”, hoy Ranjatoelina Rolland


  • Alarobia 04 Mey 2011

Nahitsy ny tenin-dRanjatoelina Rolland, minisitry ny fitaterana teo aloha tao anatin’izao Fahefana avon’ny tetezamita izao, raha nilaza ny heviny momba ny olana mianjady amin’ny Air Madagascar amin’izao fotoana.

 Nambarany fa noho ny famoahana tsy ara-dalàna sy tsy manaraka ny fenitra ireo “Cértificat de navigabilité”, na fahazoan-dalana hisidina, nataon’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) no nahatonga izao olana rehetra izao. Tompon’andraikitra voalohany amin’izany ny Tale jeneralin’ny ACM, hoy Ranjatoelina Rolland ka aoka tsy havilivily ny resaka. Maro be ny zavatra tsy milamina sy tsy araka ny tokony ho izy nitranga teo anivon’ny ACM momba ny fikarakarana ieo antontan-taratasy isan-karazany tao anatin’ny 5 na 6 volana teo, araka ny nambarany ihany ary tsy afa-miala amin’izany ny Tale jeneraly am-perinasa. Ka rehefa tsy mahavita ny asany ny olona iray dia tokony hosoloina fa tsy avela hampitombo ny olana sy ny fahasahiranana eo, hoy ihany ity minisitra teo aloha ity. Mipetraka ihany moa ny fanontaniana ny amin’izay mba andraikitra noraisin’ny ministera teo ambany fitantanany, fony izy minisitra, nisorohana izao fahavoazan’ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar izao.

Nandroso hevitra ny amin’ny tokony hifampiraharahan’ny Air Madagascar sy ny fanjakana malagasy amin’ireo kaompaniam-pitaterana vahiny amin’ny fitaterana ireo mpandeha eto amintsika mankany Eoropa moa ity minisitra teo aloha ity, satria efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny «haute saison» maha maro ny mpizahatany sy ny olona mivezivezy avy any Eoropa mankaty Madagasikara isika amin’izao fotoana, ka tsy maintsy mitady ny hevitra sy paika rehetra hanatanterahana ireo fifanarahana efa nekena, mba hitsinjovana ny rehetra, indrindra fa ireo “Agence de voyage” nifanaraka tamin’ny mpizahatany ho avy eto Madagasikara isika.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT