Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alarobia 04 Mey 2011


 Hanatevina ny fitokonana hataon’ny mpianatra eny Ankatso anio alarobia ireo mpianatra eny amin’ny polytechnique eny Vontovorona. Ho fanamafisana ny fitakiana ny amin’ny tokony hivoahan’ny daty hanombohan’ny taom-pianarana 2010-2011 moa no anton’izao fitokonana izao izay tena mampanahy azy ireo mafy tokoa.

 

Mandry andriran’antsy noho ny firongatry ny asan-dahalo ireo mponina eny amin’iny Kaominina Fenoarivo, Antananarivo Atsimondrano. Ankoatra ny vaky trano izay efa iainana isan’andro mantsy dia efa tonga eny an-tsena manendaka ny vola eny an-tanana hividianana zavatra ihany koa ireo tontakely ka anisan’ny tena lasibatra ireo vehivavy efa zokinjokiny sy ireo ankizy madinika hirahina miantsena.

 

Hasiam-panavaozana avokoa ireo kianja filalaovam-baolina efa simba any amin’ny distrikan’i Vatomandry raha hisy ihany koa ny asa fanamboarana kianja iray vaovao. Nandritra ny fandalovan’ireo teknisianina eo anivon’ny ministeran’ny fanatanjahantena any an-toerana no nahafantarana izany ny herinandro lasa teo, tafiditra ao anatin’ny fanamby nomen’ny minisitra tomponandraikitra.

 
 
Nangonin’i Pati
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT