• Alarobia 30 Novambra 2011
Actualités.Ady amin’ny herisetra amin’ny vehivavy Tokony hanana drafitra matipaika ny fanjakana

Maherin’ny 3.000 ireo mpandray anjara tamin’ny “Diabe Fotsy”, omaly, nanentanana ny daholobe hampitsahatra ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy notontosaina nanodidina ny kianjan’i Mahasimasina ary nofaranana tao amin’ny kianja mitafo.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 29 Novambra 2011
Actualités.«Bois de rose» 350 tapitrisa dolara very anjavony

Tsy nahazo rariny teo anatrehan’ny Filankevi-panjakana ny Alliance Voahary Gasy raha nitory ny fanjakana hanafoana ny didim-pitondrana iraisan’ny ministera mitondra ny laharana 38244/2009 tamin’ny 21 septambra 2009 izay manome fahalalahana manokana ny fanondranana hazo sarobidy tsy mbola nokasihana na efa nohajariana amin’ny ampahany.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 29 Novambra 2011
Actualités.Tsy voatsara ilay Sinoa teny Behoririka Nalain'ny minisitry ny fitsarana ny dosie

Naharitra ora maro ny fiandrasan'ny maro ny fitsarana ilay teratany sinoa, Zhuo Yong Diao, teny Anosy omaly.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 24 Novambra 2011
Actualités.Behoririka Tsy nisy nivarotra ny Sinoa, iray sisa voatanan'ny polisy

Ny iray tamin'ireo sinoa telo sisa no notanan'ny polisy misahana ny heloka bevava omaly.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 24 Novambra 2011
Actualités.Voalaza nanapoaka Baomba Tsy noraharahain'ny Fitsarana ny Tondrozotra

Ranomaso havozona ny an’ny fianakaviana maro fa ny roa tamin'ireo dimy voarohirohy tamin'ny fanapoahana baomba teto an-drenivohitra hatramin'ny taona 2009 ihany no nomen'ny Fitsarana fahafahana vonjimaika omaly.

Hamaky ny tohiny
FTT