Actualités

Magro Behoririka Nomem-boninahitra manokana ny reny


  • Alatsinainy 04 Jona 2012

Notolorana lamba fanomezana tsirairay avy ireo reny rehetra maherin’ny 60 taona tonga tao amin’ny Kianjan’ny Magro Behoririka, vehivavy olon-tsotra sy parlemanteran’ny tetezamita no nifandimby nandaha-teny, eny fa hatramin’ny fanentanana an-kira teny an-dapihazo aza mbola vehivavy ihany koa.

 Ampahany tamin’ny endrika nanamarihan’ny Zanak’i Dada ny fetin’ny Reny ireo ny sabotsy 2 jona, tao amin’ny Magro Behoririka. Nomem-boninahitra ny Reny tsy ankanavaka tamin’io, ary notsarovana manokana tamin’izany i Neny Lalao Ravalomanana. Tsy mitsahatra mivavaka ho an’ny firenena i Neny Lalao, hoy ny Me Hanitra Razafimanantsoa, raha nandray fitenenana, ary malahelo mafy izy rehefa misy olona mandeha mankany Afrika Atsimo ka hody aty Madagasikara avy eo. Ambetin-tenin’i Neny Lalao, hoy hatrany ny Me Hanitra ny hoe : “Tsy mamela antsika ho irery ny Tompo fa matokisa azy”.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT