Actualités

Mahajanga Tsy hay nakifika ny mpianatra


  • Alarobia 06 Jona 2012

Mafampana ao Mahajanga hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Nisy ny fampilazana nataon’ny tompon’andraikitry ny fampianarana tao an-toerana amin’ny hizarana ny taratasim-piantsoana amin’ny adina ara-panatanjahantena amin’ny fanadinana bakalôrea hatao ato ho ato.

 Nijoro nanohitra ny hanatanterahana izany ny mpianatra, ary namonjy ireo mpampianatra mpanabe manao fitokonana ao amin’ny Lycée Philibert Tsiranana ao Mangarivotra. “Mpianatra tsy mianatra ve hanao fanadinana ?”, hoy izy ireo. Sarotsarotra ny fifamoivoizana teo amin’ny manodidina an’i Mangarivotra omaly, vokatr’io hetsiky ny mpianatra io. Nidina teny an-toerana ireo mpitondra isan’ambaratonga ao an-toerana saingy niala maina satria tsy laitra nakifika ireo mpianatra na teo aza ny resaka fa hisy fisamborana. Etsy ankilan’izay dia mifanome tsiny ny samy mpampianatra.

Fantatra mantsy fa efa vita ny adina ara-panatanjahantena tany amin’ireo foibem-panadinana ivelan’i Mahajanga toa an’i Marovoay, Port-Berger ary Ambato Boeny. Noraisin’ny SEMPAMA ho fanambaniana ilay taranja fanatanjahantena ihany koa ny fanatanterahana izany fanadinana izany tamin’ireo toerana ireo. Mikasika io hetsiky ny SEMPAMA io dia manomboka tsikaritra fa manome tsiny ireo mpampianatra mpanabe eto an-drenivohitra, tsy miraika loatra na koa tsy miray hina amin’ny besinimaro, ny any amin’ny faritra. Vokatr’io dia hisy fihaonambe hataon’ny SEMPAMA ao amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha anio alarobia 06 jona tolakandro. Ho fantatra aorian’io ny hoavin’ny tolona sy fitakiana hataon’izy ireo.

 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT