Actualités

Kaominina Ivato-Firaisana Tsy hanaiky lembenana ny Ben’ny tanŕna


  • Alakamisy 07 Jona 2012

Nilefitra tsy manan-kery ny didim-pitsarana manoloana ny didim-pitondrana navoakan’ny ministera.

 Izay no azo andikana ny zava-mitranga ao amin’ny Kaominina Ivato-Firaisana ankehitriny. Namoaka didim-pitondrana mampihatona amin’ny asany mandritra ny iray volana, ny Ben’ny tanàna, ny ministeran’ny atitany. Nifototra tamin’ny fahabangan-toerana nandritra ny fotoana ela, araka ny tatitra nataon’ny teo anivon’ny Distrikan’Ambohidratrimo ilay didim-pitondrana. Raha izay tokoa no izy, inona no fepetra mba noraisin’ny ministera mikasika ny Kaominina Fandriana (Faritra Amoron’i Mania), sy ny mikasika ny Kaominina Enakara sy ao Soavary (Faritra Anosy), izay tena samy tsy ao an-toerana efa fotoana naharitra ny Ben’ny tanàna ? Voizina ihany koa fa nisy raharaham-pitsarana nahavoarohirohy ny Ben’ny tanànan’Ivato Firaisana, Rasoloarisata Yves. Namoaka didy anefa ny filankevi-panjakana ny oktobra 2011 mamerina amin’ny toerany ity Ben’ny tanàna ity. Ny alatsinainy 04 jona teo no tonga niaraka tamin’ny vadintany nanatanteraka io didy io ny Ben’ny tanàna, handraisany sy hanohizany ny asa nanomezan’ny vahoaka fahefana azy tamin’ny latsa-bato natao ny 12 desambra 2007, saingy dia voabahana indray vokatry ny didim-pitondrana navoakan’ny ministera. Milaza ny tsy hanaiky lembenana manoloana izao antsojay lava atao aminy izao ny Ben’ny tanàna, Rasoloarisata Yves, ka dia hiady hatramin’ny farany. Tantara mitohy, araka izany, ity zava-mitranga ao amin’ny Kaominina Ivato Firaisana ity.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT