Ho raikitra ihany ny fanagiazana ny orinasa TIKO Andranomanelatra sy ny TOP Mahafaly-Vatofotsy. Raha ny nambaran’ny vadintany, Mamy Andrianoro Lucien, dia tsy maintsy tanterahina ny didim-panjakana maniraka azy hanantontosa ny asany satria efa dila ny fotoana.
Nitondra fanazavana moa ny tenany ka nandray ohatra ny amin’ny TIKO TOP Mahafaly. Efa nisy ny fampahafantarana ity orinasan’ny filoha teo aloha ity mahakasika ny fahataran’ny fandoavana ny hetrany. Efa in’efatra natao izany nanomboka ny 03 aprily 2009 ka hatramin’ny 28 okotbra 2009. Araka ny lalànan’ny fandoavan-ketra, iray volana aorian’ny fampahafantarana ka tsy manefa ny orinasa dia miroso amin’ny fanagiazana toy izao. Nambarany fa tsy mbola lavanty akory ity atao ity fa fanisana izay entana rehetra misy ao mba hirosoana amin’ny fanaovana lavanty aorian’ny fitsirihina.
Nohamafisin’ny Me Mamy Andrianoro Lucien fa tsy izy no manao ny lavanty. Ny ministeran’ny vola sy ny fitantanam-bola ihany no mamoaka ny didy mahakasika izany. Raha ny zava-nisy omaly talata 05 jona dia nanomboka ny maraina no nifandresy lahatra tao amin’ny biraon’ny Faritra Vakinankaratra ity vadintany ity sy ny solontenan’ny orinasa TIKO amin’ny hampiatoana ny fanagiazana, mbola nitohy ny hariva izany. Ny vaovao farany dia tsy maintsy hotontosaina anio alarobia 06 jona, amin’ny 09 ora maraina ihany izany. Re ihany fa nangataka ny hanemorana izao fanatanterahana didy izao ny tompon’andraikitry ny Faritra sy ny avy ao amin’ny TIKO mba tsy hisian’ny mety fikorontanana amin’ireo mpiasa sy mponina kanefa toa tsy naharesy lahatra ny an-daniny izany fa ny fampiharana izay voalazan’ny fitsarana ihany no nambarany fa andraikiny.
Manahy mantsy ny maro fa raha fitoniana tokoa no tadiavina dia fotoana tokony hanaovana fampiharana didy toy izao ve no mety ? Ny sehatra iraisam-pirenena aza mitaky ity fitoniana ity ary raharaha mahakasika ny filoha Marc Ravalomanana ihany koa ilay izy. Maro ny mihevitra fa abobo fotsiny ny filazana fahavononana hifampidinika ataon-dRajoelina fa ny mamotika ny Filoha Ravalomanana ihany no atao any ambadika raha ny zava-misy. Marihina moa fa dia feno Fokonolona sy mpiasa hatrany eo anoloan’ny orinasa Tiko Andranomanelatra miandry izay hiseho ao ka asa izay hitranga any amin’ity anio ity. Raha ny re dia hitondra mpitandro filaminana ny vadintany hiaro azy amin’ny fanatanterahana ny asany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.