Actualités

Tsipoapoaka Tsy azo amidy, tsy azo apoaka !


  • Alakamisy 07 Jona 2012

Nanamafy omaly ny prefektioran’Antananarivo Renivohitra fa tsy azo atao ny mivarotra tsipoapoaka ary tena voararan’ny lalàna.

 Hisy, araka izany, ny fisavana hatao amin’ny toerana rehetra eto an-drenivohitra. Nanamafy ny tompon’andraikitra fa tsy hisy indrafo mihitsy ho an’ireo izay tratra mbola mivarotra tsipoapoaka, hogiazana avy hatrany ny entana rehetra izay tratra. Tsy lalàna vao noforonina moa izy ity fa efa nisy an-taonany maro, saingy tahaka ny mahazatra, eto Madagasikara dia ny fampiharana azy foana no olana. Efa tamin’ny volana mey ka hatramin’izao no nampiasan’ny ankizilahy kely ny tsipoapoaka vita amin’ny “rayon” sy vanjan’afokasoka. Tena misy mipoaka mankarenin-tsofina mihitsy izy io ary miha mahazo vahana. Iray volana mialoha ny fetim-pirenena moa no manomboka hita eny amin’ny tsena ny tsipoapoaka ary misy amin’ny vidiny rehetra, araka ny fahefa-mividin’ny tsirairay. Ny alin’ny 25 jona mandritra ny fanaovana ny arendrina no tena tsy hifandrenesana ny fanapoahana azy.

Ao ireo faly sy mitotorebika amin’izany fa misy kosa ireo tsy mahatanty ka mivadi-po mihitsy isaky ny mirefotra ny tsipoapoaka. Tsara homarihana fa mety handratra izy ireny rehefa tena mahery vaika. Efa nisy mihitsy moa ny ankizy naratra sy nitondra takaitra tamin’ny filalaovana azy. Mandalo krizy ny firenena ankehitriny ary mbola tena marefo ny fitandroana ny fandriampahalemana, ka tsy tokony hahagaga raha hentitra ny prefektiora sy ny Kaominina amin’ity resaka tsipoapoaka ity, satria tena tsy fantatra intsony na mbola tsipoapoaka na baomba na efa basy mihitsy no mipoaka etsy sy eroa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT