• Zoma 13 Jolay 2012
Actualités.Ben’ny tanàna Kaominina Ampitatsimo «Tsy maintsy miaro ny vahoakako aho !»

Mavesatra loatra ary tsy takatry ny tantsaha ny handoa vary akotry milanja 200kg/ha izany, hoy ny Ben’ny tanàna Ampitatsimo, Randrianalinirina Nanahary raha niresaka mahakasika ny fitakian’ny federasiona “Vallée Marianina PC15” ny hofam-pitantanana amin’ity taona 2012 ity ny tenany.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 13 Jolay 2012
Actualités.Fampianarana Fa tena hopotehana mihitsy ve ?

Anisan'ny fampanantenana nataon'i Andry Rajoelina tamin'ny propagandy fifidianana Ben'ny tanàna teto Antananarivo Renivohitra tamin’ny 2007 ny fanomezana fampianarana maimaimpoana ho an'ireo mpianatra mpanala fanadinana.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 13 Jolay 2012
Actualités.MAFIANAR Entertainment Hanao izay hahamatihanina ny mpanakanto Malagasy

Mba hahamatihanina tanteraka ny mpanakanto malagasy amin’ny lafiny rehetra, eny fa na dia ireo heverina ho efa manana ny maha izy azy aza kanefa manadinodino ny mahamatihanina azy dia tafatsangana eto amintsika ny MAFIANAR Entertainment.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 13 Jolay 2012
Actualités.Mpampianatra mitokona Mpitari-tolon’ny SEMPAMA 265 no ho tapaka karama

Tsy fampitahorana intsony fa tena hilatsaka amin’izay ny sazy ho an’ireo mpampianatra mbola mitokona.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 13 Jolay 2012
Actualités. Raharovoatra Claude “Hery matanjaka indrindra ny SEMPAMA”

«Réquisition»sy ny fanapahana karama arangarangan’ny ministera andaniny, ny fanadinam-panjakana sy ny fitakiana sendikaly miseho ankehitriny ankilany, no nakan’ny Tia Tanindrazana ny hevitry ny mpandrindra nasionalin’ny SEMPAMA, Raharovoatra Claude.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 13 Jolay 2012
Actualités.Studio Mars Nangoron’entana tao Antanimena

Trano mikorontana ambony ambany ! Izay sisa no tazana ao amin’ny trano fandraisam-peon’ny Studio Mars etsy Antanimena.

Hamaky ny tohiny
FTT