Actualités

Studio Mars Nangoron’entana tao Antanimena


  • Zoma 13 Jolay 2012

Trano mikorontana ambony ambany ! Izay sisa no tazana ao amin’ny trano fandraisam-peon’ny Studio Mars etsy Antanimena.

 Voatery nangoron’entana ity trano famokarana lehibe eto Madagasikara ity vokatry ny fifanolanan’ny vazaha mpandova an’i de Comarmond. Efa 60 taona mahery nisiana izany Studio Mars izany ary azo sokajiana ho toy ny vako-pirenena satria dia mitahiry raki-peo maro, raha ny fitantaran’i Bivy, miandraikitra ny fitantanana ny studio ary niasa tao nandritra ny 18 taona izay. Noraisim-peo tao izany Odem Rakoto izany, “Ry tanindrazanay malala” hiram-pirenena Malagasy io. Avy ao no nampalaza izany Kaiamba izany, sy ireo kapila “vynil” 78, 33 ary 45 tours. Mbola tao koa no nivoahan’ireo mpanakanto fanta-daza eran’izao tontolo izao, toa an-dry Jaojoby, Bilo, Rajery … Nanomboka tamin’ny 2008 no efa eken’izao tontolo izao, manana lenta iraisam-pirenena, ny fandraisam-peo atao amin’ny Studio Mars, hoy hatrany i Bivy. Izany dia noho ny ezaka nataon’ny teknisianina Malagasy. Hatreto dia tsy mbola fantatra indray izay hiorenan’ny Studio Mars. I Bivy dia nilaza fa tsy tafarina ao anatin’ny telo volana, raha ny rafitra efa nisy tao Antanimena iny, izay nambarany fa studio lehibe indrindra aty amin’ny ranomasimbe indianina. 

 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT