Mavesatra loatra ary tsy takatry ny tantsaha ny handoa vary akotry milanja 200kg/ha izany, hoy ny Ben’ny tanŕna Ampitatsimo, Randrianalinirina Nanahary raha niresaka mahakasika ny fitakian’ny federasiona “Vallée Marianina PC15” ny hofam-pitantanana amin’ity taona 2012 ity ny tenany.
Maro ireo tantsaha mitaraina aty amiko, hoy izy, ka zoko ny miaro azy ireo. Maninona, hoy ity Ben’ny tanàna ity raha mba atao vola io saram-pikojakojana io ka ferana ho 50.000 Ariary isaky ny hektara. Raha tsy misy ny marimaritra iraisana, hoy izy, dia voatery hiala ao amin’ny federasiona ny Kaominina. Mitaky ny hanovana ny fitsipi-pitondrana sasantsasany ao amin’ny federasionina ingahy Ben’ny tanàna sy ireo tantsaha miara-dia aminy. Nambaran’izy ireo fa tsy izay baiko ataon’ny mpamatsy vola (AFD) akory dia tsy maintsy tanterahana na dia tsy zakan’ny tantsaha aza. Manambara izy ireo fa misy ny fanerena ankolaka ny tantsaha namany handoa io vary 200kg/ha io, ka izay no mahatonga ny sasany mandoa. Raha ny tena izy dia sarotra ho an’ny tantsaha ny handoa io vary 200kg isaky ny hektara io. Nohamafisin’izy ireo fa raha misy ny zavatra lehibe handraisana fanapahan-kevitra dia tokony ho ny tantsaha maro an’isa no manapa-kevitra fa tsy ny solontena ao amin’ny biraon’ny federasiona fotsiny. Amin’izy ireo, betsaka ireo zavatra tokony hahitsy amin’ny sata mifehy ny federasiona mba tena ho tonga amin’ny fitsinjovana ny tantsaha.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.