Actualités

Mpampianatra mitokona Mpitari-tolon’ny SEMPAMA 265 no ho tapaka karama


  • Zoma 13 Jolay 2012

Tsy fampitahorana intsony fa tena hilatsaka amin’izay ny sazy ho an’ireo mpampianatra mbola mitokona.

 Nilaza ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Manoro Régis fa hotapahana ny karaman’ireo mpitokona miisa 265 izay voasokajy ho lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny SEMPAMA aorian’ny fahataperan’ny 24 ora nomena azy ireo hiverina hiasa. “Voalazan’ny lalàmpanorenana ny zo mitokona fa rehefa manohintohina ny tombontsoa ambonin’ny firenena ny grevy dia tsy azo ekena intsony”, hoy ny minisitra. Mihatra avy hatrany io fepetra io raha vao tafaparitaka any amin’ny fari-piadidiam-pampianarana iasany avy ny lisitra misy ny anaran’izy 265 mianadahy ireo. Niaiky moa i Manoro Régis fa “tsy izy 265 ireo ihany akory no mbola manao fitokonana saingy ry zareo kosa no tena mpanakorontana”. “Na efa misotro ronono izy ireo na miasa amin’ny toerana tsy fiaviany ka tsy miraharaha ny mpianatra amin’ireny toerana ireny”, araka ny fanazavany hatrany.

Ankoatra izay dia tsy hihemotra intsony ny fanadinana fa tazonina ireo daty efa nifanekena tamin’ny sekoly tsy miankina. Amin’ny 07 aogositra ny CEPE, ny 20 hatramin’ny 23 aogositra ny BEPC ary ny 27 hatramin’ny 31 aogositra ny BACC. Momba ireo sekoly izay nitokona ny mpampianatra tao aminy dia nilaza ny minisitra fa efa nisy ny lamina tamin’ny alalan’ny fandraisan’ny mpampianatra hafa ireo mpanala fanadinana. Nosoloina mpampianatra nivoaka avy amin’ny ENS kosa ireo mpanabe mitokona ao Matsiatra Ambony, araka ny fanapahan-kevitry ny lehiben’ny Faritra. Mpitandro ny filaminana no manatitra ireo mpampianatra vaovao ireo eny anivon’ny sekoly sy miambina azy ihany koa. Tsy namaly mivantana momba ny votoatin’ny laza adina hiseho amin’ny fanadinam-panjakana kosa anefa ny minisitra manoloana ny ahiahin’ny maro ny hamolavolana izany araka izay fandaharam-potoana tontosa nandritra ny telo volana voalohany. “Aleo ny ankizy no hahita azy amin’ny fotoam-panadinana”, hoy izy. 

Yves 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT