Actualités

MAFIANAR Entertainment Hanao izay hahamatihanina ny mpanakanto Malagasy


  • Zoma 13 Jolay 2012

Mba hahamatihanina tanteraka ny mpanakanto malagasy amin’ny lafiny rehetra, eny fa na dia ireo heverina ho efa manana ny maha izy azy aza kanefa manadinodino ny mahamatihanina azy dia tafatsangana eto amintsika ny MAFIANAR Entertainment.

 Fikambanana iray ivondronan’ireo mpanakanto mpanao rap sy hip hop ary Rnb izy io izay samy avy any Fianarantsoa avokoa. Fifampitondrana matotra no nanazavany tsotsotra ny antsoina hoe : MAFIANAR. Manana tanjona hampiroborobo ny kolontsaina malagasy no sady hanamora ny famokarana sy ny fifandraisana eo amin’ny mpanankato. Manana ivontoerana fandraisam-peo na studio ny MAFIANAR, afaka mandrakitra ny feo sy sary ihany koa izy ho an’ireo mpanakanto maniry ny hamoaka rakipeo sy rakitsary, ho fanatanterahana ny nofinofin’ny mpanakanto.

Ankoatra izay dia manoro hevitra ny mpanakanto koa izy ireo mba hamoahany vokatra mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany ny resaka fitondrantena sy ny fifandraisana amin’ny mpankafy. Ao Andravoahangy moa no toerana misy azy ireo ankehitriny raha ezahiny haparitaka manerana ny Nosy kosa izany fanampiana sy fanosehana ny mpanakanto malagasy izany, indrindra fa ireo mpanao hip hop, rap, ary rnb. Hisy moa ny hetsika hataon’izy ireo ny 14 jolay ho avy izao ao amin’ny Pub Ambatonakanga hafanain’ireo mpanakanto efa mpikambana toa an’i Farah, Supalah… Hitohy amin’ny 31 aogositra ny hetsika, manala azy vita baka hatao ao amin’ny Casc-PK 0 Antanimena, manomboka amin’ny 02 ora folakandro.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT