Actualités

Raharovoatra Claude “Hery matanjaka indrindra ny SEMPAMA”


  • Zoma 13 Jolay 2012

«Réquisition»sy ny fanapahana karama arangarangan’ny ministera andaniny, ny fanadinam-panjakana sy ny fitakiana sendikaly miseho ankehitriny ankilany, no nakan’ny Tia Tanindrazana ny hevitry ny mpandrindra nasionalin’ny SEMPAMA, Raharovoatra Claude.

 Tia Tanindrazana (TT) : Nilaza ny Minisitra Manoro Régis fa tapahana karama ianareo mpampianatra mbola mitokona aorian’ny 24 ora fe potoana nomeny izay tapitra androany (omaly alina). Inona ny tatitra azonareo amin’ireo namana manoloana izay ? Efa miverina mampianatra sa mbola miziriziry ihany ? 

Raharovoatra Claude (RC) : Raha ny fandrahonana dia tsy vaovao aminay fa efa mahazatra. Tsarovy fa raha nanome ilay 50.000 Ariary iny ny fanjakana dia nanambara ny hanapaka ny karaman’ireo tsy mbola miasa ny Minisitra. Vao mainka nanosika ireo mpampianatra mpanabe hanamafy ny fitokonana anefa ireny fihetsiny ireny. Raha misy indray ity ny fandrahonana hanery hiasa arahana fanapahana karama dia endrika iray fanosihosena ny hasin’ny mpampianatra mpanabe koa izany miseho amin’ny endriny vaovao. Mihamafy anefa ny tolona eo anatrehan’izany satria tsy mbola miova amin’ny foto-keviny mihitsy ny Minisitra amin’izay fanosihosena ny hasin’ny mpanabe izay.
 
TT : Raha ny hevitrareo, ho sahiny ve ny hanatanteraka an’io fanapahana karama io ? 
RC : Tsy miraharaha izahay na hotapahany io na tsia satria efa-bolana latsaka kely izao no nanaovana fitokonana. Ny mpampianatra dia resy lahatra fa izao tolona izao no hamerina ny hasiny araka ny efa voalaza teo sy ny fandraisany an-tanana koa ny hoaviny. Tsy ny fandrahonana ohatr’ireny intsony izany no hamerin-dalana azy ireo indray. Aza adinoina fa efa nanapaka fifanaraham-piaraha-miasa (contrat) an’ny mpampianatra anie ny ministera e, fa tsy izao akory vao hanapaka karama. Raha ny feo azonay amin’ireo namana manerana ny Nosy indray taorian’iny fandrahonana hanery hiasa iny dia ny fahavononana sy finoana ananan’izy ireo fa tsy maintsy hody ventiny ny rano natsakaina amin’izao tolona izao.
 
TT : Nilaza koa ny Minisitra fa ianareo efa misotro ronono sy miasa amin’ny toerana tsy niavianareo no tena midrinkina manohy io fitokonana io fa efa miasa ny ankamaroan’ny mpampianatra ? 
RC : Ny fitarihana sendika dia tsy misy fetran-taona. Talohan’izao fitokonana izao anie ny tenako dia efa nametraka fitsaharana miasa mialoha (retraite anticipée) ahazoana mitondra tsara ny sendika. Izany tenin’ny minisitra izany dia mbola midika ho fiheverana ny mpanabe ho zaza bodo sy adala hatrany. Tahaka ny manompa azy ireo mihitsy ny filazana fa olona efa misotro ronono no mitarika azy ireo. Na efa lehibe ny mpitarika na mbola tanora kely dia manaraka foana ny mpampianatra rehefa hitany fa mandeha any amin’ny tombontsoany ny fitakiana. 
 
TT : Tsy ohatra ny mikiribiby ihany ve ianareo ireo amin’ity rahahara ity ? Misy tamin’ireo mpiara-mitolona mantsy no efa miverina miasa ary na ireo mpampianatra FRAM izay arovanareo aza tsy manaiky ny fitokonana intsony ?
RC : Mety misy tokoa izay ambaranao izany saingy ny zava-misy manerana ny nosy no tsara jerena. Tsy misamatsamaka velively akory ny SEMPAMA fa tetika nentin’ny mpitondra sy ny Ministeran’ny fanabeazana indrindra indrindra hanapotehana azy ny famoronana sendika hafa. Natsangana ny sendika “SEMPAMA Miray Saina” sy ny “Sendika Fanavaozana” any Matsiatra Ambony. Nahoana anefa ireny olona nokaramaina nanorina ireny sendika ireny raha namorona anarana hafa na dia ho voninahitry ny tenany fotsiny ihany aza fa tsy ny anaran’ny SEMPAMA ihany no entina ? Raha vao nitsangana ihany koa ireny sendika ireny ka nandeha tamin’ny haino amanjerim-panjakana dia velom-panontaniana taminay avy hatrany ireo mpampianatra mpanabe manerana ny nosy manao hoe : inona indray ity sendika foromporonina ity ? Matoa ireo sendika ireo mahazo avara-patana ao amin’ny RNM sy TVM dia fantatry ny vahoaka avy hatrany ny tompony. 
 
TT : Hatraiza ny fara fetran’ny fahasahianareo satria mety hisy fepetra henjana kokoa noho ny fanapahana karama horaisin’ny Ministera ? 
RC : Ny maro an’isa amin’ny mpanabe mpampianatra dia ireo karamain’ny FRAM. Matoa izy ireo mbola manohy ny tolona hatramin’izao dia midika izany fa feno fahavononana sy faharesen-dahatra fa hahomby ity tolona atao ity. Lazaiko eto koa fa tsy mizarazara mihitsy ny mpampianatra FRAM. Na iny lehiben’izy ireo iny (filohan’ny ANEFA izay mitsipaka ny fitokonan’ny SEMPAMA, aza dia tsy manana toeram-piasana akory fa voakaraman’ny ministera hampizarazara ny mpampianatra FRAM. Ny androatokon’ny mpitokona anie ka ireo karamain’ny ray aman-drenin’ny mpianatra ireo na eo aza ny fanapahana karama mahazo ny sasany amin’izy ireo e ! 
 
TT : Tsy mahatsiaro tena ho manao takalonaina ny zaza Malagasy ve ianareo SEMPAMA izay tsy milefitra mihitsy ? 
RC : Tsy manao takalonaina izahay. Nandritra ny 50 taona izao dia tsy nitsahatra nikorosofahana ny fanabeazana eto Madagasikara. Hitanareo izany mpampianatra mpanabe rovitra akanjo sy banga ridana izany ... Midika ireny fa tena latsaka ambany dia ambany ny fari-piainany. Nitsinjo ny zaza Malagasy foana anefa izahay na izany aza. Heverinay kosa fa tsy mendrika hanome fanabeazana araka ny tokony ho izy ny zaza Malagasy ny mpanabe marary toy izany ka tsy hiray tsikombakomba intsony amin’ity resaka ity izahay. Tsy ny fitakianay amin’izao anie no fototry ny olana fa ilay rafitra ankapoben’ny fampianarana mihitsy, manomboka any amin’ny farany ambany hatrany amin’ny ambaratonga ambony mandalo amin’ny fampianarana teknika satria tsy mifanaraka amin’ny filan’ny firenena ka tsy mampandroso. Izay rafitra tsy mampandroso izany no nahatonga anay hahazo karama nampahantra, nampitsanga-menatra eo anivon’ny fiarahamonina. Ny zavatra tadiavinay izany dia karama mendrika, sahaza ka tsy hahatonga anay ho azon’ny fakam-panahy any ivelany intsony.
 
TT : Hanao ahoana ny fanadinana hotontosain’ny fanjakana eo manoloana izay fitokonana lavareny izay ?
RC : Efa nanandrana anie ny Ministera tany Fianarantsoa tamin’ny alalan’ny fanoloana ny mpampianatra mitokona tao amin’ny Lisea saingy noroahan’ny mpianatra ireny olona natao mpisolo toerana ireny ka notakian’izy ireo ny hamahana ny olan’ny SEMPAMA. Noheverin’ny Ministera mantsy fa ny fametrahana lehiben’ny sampandraharaha na olon-kafa hanao ny asan’ny mpampianatra dia mahavita ny asa fampianarana. Fanadinana petatoko sy kitoatoa no hisy eo araka izany ka raha hiroso amin’io ry zareo dia andraikiny samirery izany. Na ny famaritana ny datin’androm-panadinana aza anie dia tokony ho vaomiera siantifika no nanapaka azy aorian’ny fandihina ny fotoana mety sy ny fandaharam-pianarana vita. Dimy volana latsaka anie no niato ny fampianarana any amin’ny faritra satria vao nanomboka kely ny telo volana faharoa no nanomboka ny fitokonana. Iray volana monja anefa ny fanemorana datim-panadinana. Ankizy tahaka ny ahoana no hiatrika izany fanadinana izany ? Natao ho an’Antananarivo izany io fanemorana io satria tapa-bolana ihany no tena nisy fitokonana teto araka ny nambaran’ireo sendika miaraka amin’ny fanjakana ireo. Dia tsinontsinoavina izany ny any amin’ny faritra ?
 
TT : Hetsika sendikaly no ataon’ny SEMPAMA saingy miaraka amin’ny sendika amin’ny sokajin’asa hafa ianareo ankehitriny. Misy milaza fa misy ambadika politika ao ?
RC : Misy ny firaisankinan’ny samy sendika ka tsy misy antony anoseham-bohotanana azy ireo. Ireo mpikambana anaty sendika hafa ireo koa anie mampiana-janaka na amin’ny sekolim-panjakana na amin’ny sekoly miahy tena e ! Fanadinana iray ihany no atrehan’ny mpianatra Malagasy rehetra dia ny fanadinam-panjakana izany. Mahatsapa ry zareo fa tsy rariny ity ataon’ny fanjakana ity. Na dia samy manana ny hevitra ara-politikany aza ny mpikambana anaty sendika dia ny politika iraisana hiditra anaty paosy no ijoroanay. Matoa mbola mijoro ny SEMPAMA ankehitriny dia noho ny tsy fanaovana politika politisianina. Afaka mirehareha koa izahay fa hery matanjaka indrindra ny SEMPAMA manoloana ireo antoko politika sy ny fiarahamonim-pirenena. 
 
Nangonin’i Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT